- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Qatar: Hafanam-pon'ny Mpianatra Hisian'ny “Cafeterias Sy Toeram-piantsonana Voatafo”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Katara, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Mediam-bahoaka

Fantatra amin'ny maha-ivon'ny hafanam-pon'ireo mpianatra ny Anjerimanontolo rehetra. i Qatari Esraa Al Meftah dia miresaka tsotra ataon'ny endrika hafanam-pon'ireo mpianatry ny anjerimanontolo Qatari amin'ny fitakiana “hanokafana fandraisana ody ambavafo “cafeterias” ao anatin'ny faritry ny fianarana sy fametrahana toeram-piantsonana voatafo eny amin'ny faritra natao ho an'ny mpianatra”

Anatinà andiana bitsika dia miteny i Al Meftah hoe:

من المفروض ان توفر الجامعات للطلبة وغير الطلبة مكان آمن للتعبير عن آرائهم.. مهما كانت تلك الآراء شاذة عن الرأي العام

..

@esra2qtr: [1] Tokony hanome toerana azo antoka ho an'ny mpianatra sy ny hafa mba hanehoany ny heviny ireo Anjerimanontolo, na dia betsaka amin'ireny fanehoan-kevitra ireny aza no notsoahana avy amin'ny fanehoan-kevitry ny daholobe

Ohatra iray avy amin'ny hetsiky ny mpianatra tao amin'ny American University of Beirut [2](AUB) tamin'ny 1969 no omeny. Hoy izy :

صور من الحراك الطلابي في الجامعة الامريكية في بيروت في ١٩٦٩.. وضم ذلك الحراك اقتحام المباني وإضرابات عن الطعام pic.twitter.com/PVXF0Bkl


@esra2qtr
: Ireto dia sary avy amin'ny hetsiky ny mpianatra tao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana tao Beirut in tamin'ny 1969… izany hetsika izany dia nahitàna fitsofohan an-keriny tao anatin'ireo tranobe sy fikononana tsy hihinan-kanina
Photographs shared by Al Meftah on Twitter showing student activism at the AUB in 1969 [3]

Saripika nozarain'i Al Meftah tao amin'ny Twitter maneho ny hafanam-pon'ireo mpianatra tao amin'ny AUB tamin'ny 1969. Hita eto ireo mpianatra mitokona tsy hisakafo (ery ambony) ary ireo mpianatra manao fihetsiketsehana (eto ambany)

Nambarany fa nezahan'ny [4] anjerimanontolo natelina tamin'ny alàlan'ny fanomezana fahafahana maneho hevitra misimisy kokoa ny hatezeran'ireo mpianatra, tamin'ny fametrahana Zoron'ny Mpandray Fitenenana [5], izay nahafahana niady hevitra sy nitafatafa momba ny toeram-pianarana.

Manampy bebe kokoa izy :

والحراك الطلابي في الجامعة لم يكن متعلق بالأمور الداخلية فقط.. بل كان غالبا حراك مسيس ومطالبه سياسية..
@esra2qtr [6]: Ny hetsiky ny mpianatra tao amin'ny toeram-pianarana dia tsy noferana ho izay mifandraika amin'ny anjerimanontolo fotsiny. MAtetika ny hetsiky ny mpianatra no natosiky ny politika ary nisy fitakiana politika.

Raha hiveranana ny ankehitriny, Meftah manamarika hoe :

هذه الايام وللأسف، هم الطلاب لايتعدى النطالبة بفتح قهوة في المبنى الفلاني.. ونصب مظلات في الباركنج الفلاني..
@esra2qtr [7]: Amin'izao fotoana dia mampalahelo fa tsy mihoatra ny fitakiana hanokafana toerana fandraisana ody ambavafo ao amin'io tranobe io na fametrahana toeram-piantsonana voatafo eny amin'izany faritra natao ho azy izany ny fitakian'ireo mpianatra

Manampy izy :

وبالرغم من بساطة المطالب مازالت الجامعة تراقب الطلاب وتخاف ان تعطيهم اي مساحة للتحدث بحرية عن هذه المواضيع بل حتى المواقع الاجتماعية مراقبة!

@esra2qtr:
Na teo aza ireo fangatahana tsotra ireo, manohy ny fanaraha-maso ireo mpianatra ny anjerimanontolo ary matahotra ny hanome azy ireo fotoana hahafahan-dry zareo maneho hevitra an-kahalalahana mikasika ireny olana ireny. Na ny fampahalalam-baovao sosialy koa aza dia araha-maso !

Ho famintinana, miteny i Meftah hoe :

وللأسف هذه المؤسسة التي يفترض ان تكون محرك التغيير في المجتمع ليست الا انعكاس لمؤسسات الدولة.


@esra2qtr
: Mampalahelo ny hoe ity sampam-pianarana ity, izay heverina ho hery manosika ny fiovan'ny fiarahamonina, dia tsy hafa fa fitaratra mampita  ny endriky ny andrim-panjakana.