- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta : Eo An-dalam-panaovana Ny Fifidianana Filoham-pirenena Malalaka Voalohany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny Fifidianana ao Ejypta  2011/2012 [1].

Hiditra amin'ny fifidianana filoham-pirenena malalaka voalohany [1] eo amin'ny fireneny ry zareo Ejiptiana. Ilay fifidianana dia natao ny 23 sy 24 May , ary ny  fihodinana faharoa  dia  16 sy 17 Jona raha ilaina.

Olona dimam-polo tapitrisa  no ekena fa afaka ny  [2] hifidy.  Raha toa ka filaharam-be no hita teny amin'ny toeram-pifidianana teny , toa  vitsy nohon'ny tamin'ny fifidianana Parlemantera  [3] ny volana  Novambra 2011 kosa ny fandrasaa anjara.  Mety mampiseho ny  fahadisoam-panantenana  [4] tsapan'ny  maro amin'ireo kandidà ireo izany.

Mitondra fanehoan-kevitra momba ny havitsian'ny fandrasana anjara i Tarek Shalaby :

@tarekshalaby [5] :  Ny faha 19  Martsa  [ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana [6]], Tao anatin'ny filaharana nanodidina io sekoly io aho. Amin'izao fotoana izao  tsy misy olona intsony eo . Angamba  atsy ho atsy …

[5]

Tsy misy filaharana. Sary nakarin'i @tarekshalaby

Ilay mpanao gazety Erin Cunningham dia naneho ny heviny  mikasika ny fandraisana anjara tao  Ismailia any avaratra atsinanan'i Ejypta :

@erinmcunningham [7] :  Ny fanaova-mofo  tao  afovoan'ny Ismailia no filaharana lava sy navitrika kokoa noho izay toeram-pifidianana rehetra hitako hatramin'izay. #Egyelex‬ ‪#breadpolitics

Nadine Sabry dia nanazava ny antony nahatonga ny fandraisana anjara ho vitsy :

@nsabry [8] :  Ny tena iraisana aloha dia ny toetr'andro .  Tamin'ny farany teo dia tamin'ny  2 ora tolakandro teo aho no nandeha nihodinkodina tany saingy tsy handeha ho any kosa androany raha tsy amin'ny 6:30-7  rehefa amin'ilay tsy misy olona & mangatsiaka kokoa iny

Emirati Sultan Al Qassemi dia mitsidika an'i Cairo, ary naka ito sary ito [9]:

[9]

Filaharana be ho an'ny lehilahy teny amin'ny toeram-pifidianana tao amin'ny sekoly Orman tao Dokki. Sary nakarin'i @SultanAlQassemi.

Kareem Hosemao  Cairo nilaza hoe :

@akaHoezy [10] : Manonofy aho hoe any andro iray ny lehilahy& vehivavy afaka ny hiara-hijoro anaty laharana iray hifidy tsy amin'ahiahy.  Ho tantara fahiny sisa ny resaka fanavakavahana. ‪#EgyElex

Ilay mpanao gazety Adam Makary tao  Suez dia nitondra antsika amin'ny fombafombam-pifidianana :

@adamakary [11]  : Voalohany , asehonao ny Karapanondronao mba hampitoviana ny laharanao amin'ireo voarakitra hifidy. Avy eo, manao sonia ianao ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

[11]

Sary nakarin'i@adamakary.

@adamakary [12] : Dingana faharoa, raiso ny vatom-pifidiananao . ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

[12]

Sary avy amin'i @adamakary.

@adamakary [13] : Dia miandry ianao… miaraka amin'ny vatonao sy ny peninao eny an-tanànao. ‪#Suez‬ ‪#EgyElex‬

[13]

Sary nakarin'i @adamakary.

@adamakary [14] : Aorian'ny fisafidiananao ny kandidà tianao, dia arotsakao ao amin'ny vata mihidy ilay izy. ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

[14]

Sary nakarin'i @adamakary.

@adamakary [15] : Farany,  raisinao ny Karapanondronao, ataovy anaty  ranomainty volomparasy ny rantsan-tananao, ranomainty sarotra esorina ary avy eo mandeha ianao. ‪#Suez‬ ‪#EgyElex

[15]

Sary nakarin'i @adamakary.

nifidy i Lilz , ary naneho hevitra hoe :

@Booky_Lillz [16] :  Misy olona hafa naneho tsy fahazakàn'ny hodiny an'ilay ranomainty ve? Tahaka ny efa miha-mangidihidy aho! ‪#EgyElex‬ ‪#EgyPresElection

Nadeen Hafez tao Cairo dia nifidy tamim-pifaliana :

@NadeenHafez [17] :  Nandany ora 3 sy sasany aho nifidy. Tena mendrika sy nilaina mihitsy izany. Izany rehetra izany ho anao, ry Ejypta! ‪#EgyElex‬ ‪#PresidentialElections

Omar Elimam dia tsy mino ny fiovana ao  Ejypta :

@elimam_o [18] :  Apetrako fotsin, mbola tsy azoko mihitsy hoe andeha hifidyny ho filohan'i ‪#Egypt‬ aho. ‪#egyelex

Ilay mpanoratra ao amin'ny BBC faritra Afovoany Atsinanana,  Jeremy Bowen, dia niresaka tamin'ireo mpifidy :

@jfjbowen [19] : Nanontany vehivavy iray teo an-daharna aho hoe hafiriana no efa niandrasany izao. 30 taona hoy izy sady nihomehy mafy izy  ‪#EgyPresElection

Raha mila mahafantatra bebe kokoa mikasika ny fifidianana filoha, jereo ity Storify  [20] an ‘i  Asteris Masouras ity.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny  Fifidianana ao Ejypta 2011/2012 [1].