- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Lehibenà Foibem-pahitalavitra Enjehana Fa Nandefa Ny “Persepolis”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Ny 3 May no voatondro hamoahan'ny fitsarana Toniziana ny didy tamin'ny fitsarana an'i Nabil Karoui [1], tompon'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina Nessma TV [2], izay enjehina ho namoaka ny sarimiaina Persepolis [3] novokarin'i Marjane Satrapi.

Ny fisehoana ao anatin'ilay lahatsary dia mampiseho an'Andriamanitra mitsidika amin'ny alalan'ny nofy sy maka n y endrik'olombelona. Niteraka hatezerana maro [4] ilay nandefasana azy ary nisy ny fametraham-pitoriana nataon'ireo mpisolovava 144 [5] sy ny hafa. Efa nahemotra matetika ilay fitsarana, saingy hoe havoaka  ny 3 May [6] ny didy – izay Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety [7]. Raha voaheloka i Karoui dia hiatrika famonjàna telo taona an-tranomaizina [8].

Persepolis dia nalefa indrindra tamin'ny fotoana mitovy izay nahazoan'i Ennahda [9] ny seza be indrindra tao amin'ny parlemanta, ary dia noraisin'ny maro ho toy ny fanambaràna ara-politika mampifandray an'i Tonizia sy Iran izany,  sady fampitandremana ho an'ny Toniziana mba “ho tony sy ho mailo hatrany” [1].

[10]

Nabil Karoui miresaka amin'ireo mpanao gazety teo anoloan'ny tranon'ny fitsarana tao Tunis. Sary avy amin'ny machhad.com (CC BY-NC-ND 3.0).

Tanaty lahatsoratra iray tam-bilaogy nitondra ny lohateny hoe “Fitsarana an'i Nessma: Soa Fa Tsy Mahafaty Ny Henatra” [11] [fr], ilay bilaogera sady mafàna fo, Lina Ben Mhenni, dia nitondra fanamarihana momba ny fizotry ny fitsarana :

Maître Raja Haj Mansour a été la première avocate de la partie civile à donner un plaidoyer comique dans lequel elle a expliqué que son fils a fait trois nuits blanches successives après avoir regardé le film “Persepolis” et que c'est lui qui lui a demandé de porter plainte contre Nabil Karoui. Par la suite d'autres avocats ont donné des plaidoyers dignes du Moyen-Age.

Raja Haj Mansour no mpisolovava voalohany tamin'ireo mpitory nitondra fanazavàna mahatsikaiky izay nanazavàny fa in-telo tsy nahita tory ny zanany lahy ataorian'ny nijereny ilay lahatsary “Persepolis”, ary izy no nandrisika azy hitory an'i Nabil Karoui. Avy amin'izany no nahatonga ireo mpisolovava hafa handroso tohan-kevitra mendrika ny fotoana Fahagola.

Myriam Meziou nivazivazy hoe:

@myriammeziou [12]: le fils de Raja mansour a eu une crise car il a vu persepolis!!!! que va-t-il lui arriver qd il regardera son 1er Porno? #nessma

Tratry ny olana ara-pihetseham-po ny zanakalahin'i Raja Mansour satria nahita ny Persepolis!!!! Inona no hanjo azy raha toa ka ny lahatsary vetaveta voalohany nataony no hitany? #nessma

Zeineb Turki, mpitsabo sady mpanao politika, dia nanoratra hoe :

@ZeinebTurki [13]: Il est utile de rappeler qu'il ne s'agit pas du procès de #nessma ni de celui de #Persepolis mais celui de la liberté d'expression

Tsara ny ampahatsiahivana fa mikasika  ny fitsaràna an'i #nessma na ny an'i #Persepolis izy ity fa mikasika ny fahalalahana maneho hevitra

Avy any Paris, Anissa B. nibitsika hoe :

@beautifultango7 [14]: Didy navoaka androany ho an'ny fitsarana ny #Persepolis. Andran-tsira ho an'ny fahalalahana miteny eto #Tunisia. #NessmaTV

Ity lahatsary [15] manaraka ity, avy amin'ny Nawaat [16] dia manasongadina hetsi-panoherana ny fandefasana an'ilay Persepolis: