Taorian'ny fahafatesan'i Ahmed Ben Bella [1], nahatsiaro ity lehilahy ity ny mpiserasera Arabo amin'ny maha filoham-pirenena [2] Alzeriana azy voalohany.
Namony ny ainy tamin'ny 11 Aprily 2012 i Ben Bella, noho ny aretina nahazo azy. Iray amin'ireo nanamarika ny Ady ho amin'ny fahaleovantena Alzeriana izy ka voafidy ho filoham-pirenen'i Alzeria tamin'ny taona 1963. Vahoaka an-jatony no tonga nanome voninahitra farany ho an'ny filoha teo aloha, nahatsiaro ny fotoana nitondran'i Ben Bella kosa ny mpiserasera.
Mahmoud Siyoucef nilaza hoe:
@mahmoudsiyoucef [4]: ALGER VENDREDI 13 AVRIL…IL PLEUT SUR LA VILLE COMME IL PLEUT SUR MON COEUR…
Mampiseho ny fanaovam-beloma farany an'i Ahmed Ben Bella ity lahatsary manaraka avy amin'i Doualia.com [5] ity:
FreeTunis nanatsonga ny filohan'i Tonizia Moncef Marzouki izay nanatrika ny fandevenana:
@FreeTunis [6]:
#Marzouki: L’#Algérie n'est pas la seule à avoir perdu#BenBella. Le Grand#Maghreb l'a perdu aussi, tout comme la nation arabe.
Mpanao gazety Libaney Hisham Melhem [7] nankasitraka an'i Ben Bella noho ny fanampiany tamin'ny nahazoana ny fahaleovan-tenan'i Alzeria saingy nitsikera kosa ny lova navelany:
@hisham_melhem [8]: Eny, Ben Bella, Nasser & sy ny “revolisionera” Arabo hafa, nahazo fahaleovantena, saingy ny didy jadona foana no nanjaka hatrizay.
Blogger Issandr El Amrani nanoratra hoe [9]:
Tamin'ireo mpitondra nifandimby teo aloha, maty ny fahafahana ara-politika Alzeriana — ny fanontaniana dia hoe: mbola ampiharin’ ireo izay ho mpandimby azy ireo ihany ve ny izany rafi-politikan'ny tahotra izany .
Mpamahana bolongana Palestiniana Hisham Shafiq Skalla tonga nanome voninahitra farany ho an'i Ben Bella [10]:
Na dia izany aza, tsy ny rehetra no te-hahatsiaro an'i Ben Bella. Mpanao gazety Leila Beratto nanatsonga tanora lehilahy iray niteny tao amin'ny fahitalavitra nasionaly Alzeriana:
@LeilaBeratto [11]: Obsèques de
#benbella (devant la tv): commentaire d'un algérien de 26 ans : “Même mort il continue de nous emmerder”#algeriensEtPolitique
Amin'ity lahatsary manaraka avy amin'i Doualia.com [5] ity, nanome ny fandinihany farany mikasika an'i Ahmed Ben Bella ny Alzeriana: