- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Ny Nandraisan'i Amman Ny Andro Nirotsahan'ny Ranomandry

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana

Manodidina ny ririnina henjana ao Jordania sy ny fanantenana kely eny an-tsefantsefany eny, mba nahazo fankaherezana kely ny Ammanita nahita ranomandry ny Alakamisy teo, mba nandoko ny faran'ny herinandrony ho fotsy; bitsika safononoky ny hafaliana sy fizaràna sarin-dranomandry nandrakotra ny faritra manodidina ary ireo asa famoronana tampotampoka avy amin'ny ranomandry. Faran'ny herinandro nilalaovana tsy naraham-pepetra io, lavitra ireo fitsaratsaram-poana, fifanjevoan-kevitra, teritery sy fitsaratsarana zakaina na nbapetraky ny tena ho arahana. Ny fahalalahana mamorona sy mamerina manangana indray dia namoaka ny aty lalin'ny hakanton'ny fanahin'olombelona – na dia ho roa andron-dranomandry monja aza, dia tena fialantsasatra nahatretrika.

Ireto manaraka ireto ny sary vitsivitsy nozarain'ireo mpiondana aterineto :

Santimetatra vitsy dia ampy, sary avy amin'i Mohammad Magayda [1]

Mihataka kely amin'ny rehetra, sary avy amin'i Ehab Othman [2]

LumaQ nibitsika hoe [3]:

Feno ranomandry ny faritra ao Dabouk sy Khalda ka moa va fa tsy firenena hafa mihitsy!

Ary Reem Al-Masri [4] dia nampitsongoloka ny olon'ny ranomandriny ho ambony ambany :

Betsaka sary mahatsikaiky namboarina tamin'ny ranomandry azonao jerena ato amin'ity lahatsoratra ity [5] raha nanangona ireto sary ireto avy eny ifotony i BeAmman [6] tamin'i Amman rakotry ny ranomandry. Ary jereo ihany koa ny angon-tsarin'i Reem Manna tsy mitsaha-mitombo napetrany ao amin'ny 7iber [7].