06 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 06 Marsa 2012

IndigiTUBE: Fampahalalam-baovao Avy amin'ny Sy Ho An'ireo Vahoaka Vazimba Teratany Any Amin'ny Faritra Lavitr'Andriana Ao Aostralia

Rising Voices  06 Marsa 2012

Ireo vazimba teratany any amin'ireo faritra lavitr'andriana any Aostralia dia mitoetra hatrany ho ny vondrona faran'izay navela ho anjorom-bala eo amin'ny firenena ary miatrika fahantràna sy fanavakavahana isan'andro.IndigiTUBE dia vondrom-piarahamonina ety anaty aterineto ho fifampizaràna sy fidirana amin'ny fampahalalam-baovao natao sy ho an'ireo vazimba teratany any amin'ireo faritra lavitr'andriana ao Aostralia. IndigiTUBE dia sady ahitàna pejy fidirana aminà fampielezam-peo sy tolotra lahatsary averina ampitaina mivantana.

Arabia Saodita : Fibitsihana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Ataon'i AlBajady

Nanambatra ny heriny ireo Saodiana mpampiasa aterineto ny alin'ny 04 Martsa 2012 mba hibitsika momba ny zava-nanjo an'i Mohammed Albajady, Saodiana iray 34- taona, mafàna fo izay nogadraina herintaona noho ny vesatra sy fitsarana mitanila, ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina efa ho tapa-bolana ho fanoherany ny fiazonana azy. Mona Kareem no mametrapetraka ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra teny anaty aterineto.

Repoblikan'i Kongo: Taorian'ny Fipoahana, Fahatezerana Sy Fiaraha-Mientana

  06 Marsa 2012

Iray andro taorian'ny fipoahana fitoeram-bala tao Mpila akaiky an'i Brazzaville ny 4 marsa teo, dia tonga ny andro anombanana ny isan'ny niharam-boina. Ny fanombanana farany dia milaza fa manodidina ny 150 ka hatramin'ny 200 ny isan'ny maty ary 1500 ny isan'ny naratra vokatry ny fipoahana. Efa nanome lalana ny fahatezerana sy ny fiaraha-mientana ankehitriny ny hatairana sy ny fikoropahana.