- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Ankamantatra alohan'ny Fifidianana ao Vladivostok

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet


Mialoha ny fifidianana filoham-pirenena rosiana amin'ny 4 Martsa izao, mafampana tanteraka ny rivo-politika. Sady odian'ny manam-pahefana Rosiana fanina ny fisian'ny fihetsiketsehana goavana manerana ny firenena, no tsy mamaly araka ny tokony izy ny fitakian'ny vahoaka izy ireo.

Lasa resa-politika avokoa ny ataon'ny tsirairay sy ny zava-drehetra ankehitriny, tratran'izany rivo-politika mafana mialoha ny fifidianana izany ihany koa ny  tanàn-dehibe farany atsinanana indrindra ao Vladivostok .

Ny ohatra farany indrindra izao dia ny fisian'ny dokambarotra fanentanana mifono misitery izay miteraka adihevitra eo amin'ireo mpiserasera maro ao Vladivostok amin'izao fotoana izao. Mety ho lasa resa-barotra fotsiny ihany izany, fa tsy resa-politika – kanefa mahaliana indrindra ny vahoaka sy mampafàna ny adihevitra eo amin'izy ireo izany amin'ny alalan'ny fampiasana ny vaovao farany momba ny kisarisari-politika.

Voalohany tamin'izany, sora-baventy  lehibe manontany hoe “Iza? Iza?” no miharihary ao amin'ny arabe ao antanàn–dehibe (avy amin’ ity lahatsoratra [1] tao amin'ny on PrimaMedia.ru ity ny sary eto ambany, navoaka teto izany ary mifanaraka tsara amin'ny fitsipika momba ny famoahana indray ny lahatsoratra [2]

 

:Who? Who? by Anton Balashov [1]

Mety tsara amin'ireo kandidà mirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa izao izany fanontaniana izany – na tsy mety. Mitovy amin'ny fanentanana ara-barotra sy ara-politika avokoa ny fomba fijery eto: ny dokam-barotra voalohany tsy mampisongadina tsara ny mampiavaka ny entana/kandidà. (dokam-barotra ara-politika mitovy amin'izany no niseho tao Vladivostok vao haingana,  eto [3] sy eto [4]: ny voalohany milaza fa nanomboka tamin'ny taona 1917 no nopotehana ny firenena , nandritra ny revolisiona Rosiana, ary avy eo tamin'ny taona 1991, tamin'ny fiafaran'ny vanim-potoana Sovietika, ho hita eo izay hitranga amin'ity taona 2012 ity; ny faharoa kosa manontany hoe, “Faharavana, indray?”.)

Tsy niandry ela ny valinteny – saingy, toy ny tamin'ny voalohany “Iza? Iza?” variana sy sanganehana ny mponina ao Vladivostok: sora-baventy lehibe mirangaranga manerana ny tanàn-dehibe, ahitana toy izao ny amin'izany, Sponge Bob [5] (Bob spaonjy – sarimiaina), sarintavan”i Toruk Makto [6] , Michael Jackson sy Andrimatoa Bean [7], ary  Soavaly-Mipalitao avy amin'ny vazivazy malaza ao Rosiana.

Fotoana fohy taty aoriana, mpamahana bolongana gaga tamin'izany dokam-barotra izany [7] ahitana sarin'olona mitovy amin'i PrimPogoda.ru, vavahadin-tserasera momba ny toetr'andro ao an-toerana:

Who? Who? Answers: Sponge Bob, Horse in a Coat (rhymes in Russian), Turuk Manto (character from Avatar) screen shots taken from PrimPogoda.ru

Pikan-tsary avy amin'i PrimPogoda.ru

Mpisera LJ alexhitrov nanome vahaolana amin'izany ankamantatra izany [6] izay toa nankasitrahan'ireo fikambanana mpiserasera an-toerana. Nanamarika izy  fa ahitana boaty misy marika ny dokam-barotra mikasika an'i PrimPogoda.ru ary ahitana tarehimarika koa isaky ny sarin'olona eo ambony – ary namoaka pikan-tsary avy amin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra ihany koa izy izay mampiseho santionana vato-pifidianana ampiasaina amin'ny fifidianana hoavy:

Ny kandidà tsirairay hirotsaka hofidiana [ao anatin'ilay santionana vato-pifidianana avokoa] no asehon'ny sarin'olona iray [ao amin'ny dokam-barotra hafahafa] ary, eny, ahitana nomerao mifanaraka amin'izany amin'ilay vato-pifidianana.

Araka ny hevitr'i alexhitrov, Toruk Makto no misolo tena an'i Vladimir Zhirinovsky [8], lehiben'ny Antoko Liberaly Demokraty [9]; Bob Spaonjy kosa Sergey Mironov [10], lehiben'ny antoko Just Russia [11](rosia ihany); ary Vladimir Putin, #5, no mety ilay Soavaly mipalitao.

Mpisera LJ  vladimir_golev nanoratra ity [12], raha mijery ny sarin'i Bob Spaonjy ampiasaina amin'ny sary miaina fa tsy ny kandidà politika, dia i Spaonjy Bob no toa hita misolo tena amin'izany :

Nifidy an'i Bob Spaonjy aho. Bob Spaonjy no toa hitondra fahamarinan-toerana mihoatra ny rehetra.

Tsy ho ela dia ho fantatr'i Rosia ny anaran'ny filoham-pireneny manaraka. Ho fantatry ny mponina ao Vladivostok ihany koa ny dikan'ireo dokam-barotra fanentanana mifono misitery, sy ny fehin'izany.