04 Marsa 2012

Tantara tamin'ny 04 Marsa 2012

Shina: Mifampihaika Amin'ny Lasiroan'Antoko

Ny antsoina hoe 50 Cent Party na lasiroan'antoko dia ireo mpaneho hevitra an-tserasera indramin'ny Fitondram-panjakana Shinoa na indramin'ny antoko komonista shinoa entina hanefena ny fihevi-bahoaka. Matetika moa ireo Lasiroan'Antoko ireo milaza izay...

04 Marsa 2012

Tetikasa Tsy Azo Montsanina: Mampiasa ny Teny Fanararaotana Mba Hanentanana Sy Hanasitranana

Rising Voices

Grace Brown, mpianatra iray ao amin'ny Fianarana ambony ny Haikanto natao ho an'ny maso any New York, tohina tamin''ilay famaritana mampihorohoro ny fanararaotana ara-nofo avy amin'ilay niharany hany ka ny Oktobra lasa teo dia nanomboka tetikasa an-tsary antsoina hoe Project Unbreakable izy. Ny hevitr'i Grace amin'izany dia ny fampiasàna ny sary mba hanampiana ireo avotra tamin'ny fanararaotana ara-nofo amin'ny alalan'ny fangatahana azy ireo hitanisa ampahany tamin'ny fitenin'ilay mpanararaotra azy ireo amina peta-drindrina ka maka sary azy ireo mitana izany peta-drindrina izany.

04 Marsa 2012

Blogs4Aid: Fampielezan-kevitra Ho Fampiatoana ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy Any India

Rising Voices

Hiatrehana ny fitombon'ny isan'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy any India, Shemeer Padinzjharedil (29), injeniera amin'ny fanangànana sy mpamorona rindrambaiko teo aloha, nanapa-kevitra ny hihetsika. Nanangana vohikala mipetraka any Ushahidi izy antsoina hoe www.maps4aid.com izay ahafahan'ny tsirairay mitatitra ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy. Nanomboka fampielezan-kevitra iray vaovao ny Maps4aid, Blogs4Aid mba hanapariahana ireo tatitra nangon'ny Maps4Aid sy hampitombo ny fitandremana.

04 Marsa 2012