- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: #OccupyTripoli Manohitra ny Fitondrana Fitaovam-piadianans

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Tripoli ny Libyana androany, ho fanoherana ny fampiasana fitaovam-piadiana, tao amin'ilay kianja malaza antsoina hoe kianjan'ny Martiora, kianja Maitso teo aloha, no nanaovana ny hetsika. Mpisera Twitter maro no tonga tao mba hampita mivantana ny hetsika nomena anarana hoe #BodoyTripoli.

 

A banner from the event's Facebook page which reads: Tripoli welcomes you - without your weapons [1]

 

Soram-baventy nandritra ny hetsika tao amin'ny pejy Facebook mivaky hoe: Miarahaba anao tonga soa ny Tripoli – raha tsy mivatsy fitaovam-piadiana ianao

Tahaka ireo “hetsika” niseho manerana ny tontolo Arabo nandritra ity taona ity, ny hetsika androany dia hitohy hatramin'ny 11:30 alina ora ao Tripoli, nokarakaraina ho toy ny hetsika amin'ny Facebook [2] izany. Manambara ny pejy Facebook fa ny hetsika izay natao teo ambanin'ny fiahian'ny Filan-kevitra Monisipaly ao Tripoli, dia ny mba hanehoana ny hatezeram-bahoaka noho ny fisian'ireo fitaovam-piadiana sy andian-dehilahy mitondra fitaovam-piadiana avy any ivelan'i Tripoli.

Tao amin'ny Twitter, Adam nizara ity sary nandritra ny hetsika ity:

@4Adam [3]: Fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'ny Martiora ao #Tripoli ho fanoherana ny fitondrana fitaovam-piadiana. 7 desambra 2011 #Libya

 

A protester carrying a sign which reads: Dear Revolutionary, Thank your for leaving your weapon behind and carrying a book [4]

Mpanao fihetsiketsehana mitondra soram-baventy mivaky hoe Revolisionera, Misaotra nahafoy ny fitaova-mpiadiana ka nivatsy boky. Sary: @4Adam ao amin'ny Twitter

Assia Bashir Amry, Libyana monina any Etazonia, nivazivazy hoe:

@Libyan4life [5]: Ho manan-tantara ny #OccupyTripoli. MBOLA tsy nisy vahoaka marobe nanao fihetsiketsehana mba haneho ny heviny toy izao nandritra ny fitondran'i #Gaddafi. #Libya #Feb17

Ismael Zmirli nanampy hoe:

@ChaingeInLibya [6]: Tsy mbola nandeha tany amin'ny kianjan'ny Martiora izany mihitsy ny reniko, ankehitriny anefa niantso ahy avy ao amin'ny hetsika #OccupyTripoli izy- fotoanan'ny fampihavanana izao, tsy fampiasana fitaovam-piadiana & tafika ao an-toerana

Naneho ny fahagagany  noho ny fahalebiazan'ny hetsika ny Tripolitaniana :

@Tripolitanian [7]: Tsy araka ny noeritreretiko ny fahalebiazan'ny fihetsiketsehana #OccupyTripoli; http://pic.twitter.com/vD1IRIkb #Libya

 

[8]

Vahoaka marobe manao fihetsiketseham-panoherana ny fitondrana fitaovam-piadiana. Sary: Aziz Belhaj ao amin'ny Twitter

Mpisera Twitter Libyana maro ihany koa no nahatsikaritra ity afisy manaraka ity izay mahatsikaiky.

[9]

Afisy kely mahatsikaiky hita tao amin'ny hetsika androany izay mamporisika ny revolisionera hamela ny fitaovam-piadiany ary hanohy ny fiainany andavanandro. Sary: @Alaref tao amin'ny Twitter

Alaref Hassan nanoratra hoe:

من اللوحات الظريفة فعلاً ههههههه
@Alaref [10]: Ity no afisy mampihomehy indrindra mbola tsy fahitako hatramin'izay Hahaha

Araka ny nambaran'ny @Libyan4Life, midika [11] toy izao ny tao amin'ilay afisy:

Malahelo anao ny reninao ary maniry ny rainao mba HODY AN-TRANO amin'izay ianao! lol

Antso ho an'ny lehilahy mba hamela ny  fitaovam-piadiana izany ary hanohy ny fiainany andavan'andro.