- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mametraka an-tsarintany ny tondra-drano any Thailandy

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Tontolo_iainana, Voina

Amin'izao fotoana anoratana izao, 252 no efa maty ao Thailandy noho ny oram-batravatra naharitra roa volana izao. Faritra maro ao Bangkok, renivohitry ny firenena, no efa difotry [1] ny rano tondraka. Natsangana ny Sarintany An-tserasera [2] hanaraha-maso ny fizotry ny tondra-drano sy hampilaza ny olona izay mety ho fiitatry ny voina.

[3]

Tondra-drano Bangkok. Avy amin'ny mpisera twitter @khunknow

Avoitran'ny Sarintanin'ny Tondradrano ao Thailandy [4] ny faritra voa mafy indrindra, ny faritra mampididoza ary ny faritra tratrany

[4]

Eto ambany indray ny Rafitra anarahan'ny governemantan'i Thailand maso ny tondra-drano [5]

[5]

Ny rafitra mpanaramaso ny haavon'ny rano [6] eny amin'ny lakandrano sy ny renirano

[6]

Ny sampan-draharahan'ny lalambe manamarika ny lalana tondraka [7]. Ny fiara mena midika hoe lalana tondraka sady tsy azo andehanana. Ny fiara maitso milaza lalana tondraka saingy azo andehanana amim-pitandremana. Ny tsipika manga manamarika ny lalankafa azo andehanana

[7]

Nisy fombam-pivavahana [8] Brahman hampihenana ny haavon'ny rano notontosain'ny fitondrana hangatahana amin'i Kang Ka, Andriamanibavin'ny renirano, hidinan'ny rano haingana ao Bangkok. Napetraka hamonjena ny tra-boinan'ny tondradrano ny laharana Hotline [9] an-tserasera. Manaiky fanomezana hanampiana an'i Thailandy ny Vokovoko Mena [10].

Manome ny toe-draharaha [11] any Bangkok i Richard Barrow

Na dia teo aza ny rindrina fisorohana ny tondradrano, mihoatra ny 1200 ny fianakaviana any amin'ny fokontany 27 ivelan'ny ridrin-drano manara-morona ny reniranon'i Chao Phraya, ny lakandranon'i Bangkok Noi ary ny lakandrano Maha Sawat no mety ho tra-doza.

Mieritreritra aho fa hisy ny tondra-drano voafehy ao anatin'ny fotoana fohy any amin'ny faritra sasany. Efa maro ny vitan-dry zareo hiarovana an'i Bangkok amin'ny tondra-drano nandritr ny taona maromaro lasa izay. Efa nanampo tranga ratsy toy ny tamin'ny herintaona izahay fa tsy diaratsy loatra taty afara. Tantara hafa moa mazava loatra ny faritra hafa ao amin'ny firenena.

[12]

Talantalana foana nandritra ny fitondrahana. mpisera twitter @icetimicetim

Niasa tokoa ny tenifototra #thaiflood [13] nandritra ny andro maromaro

@tumbler_p [14] Nahare fa tsy azo ampiasaina ny lazaina ho tonelina lehibe natao hanarian-drano ao Bkk. Aza milaza amiko hoe tonelina foroporonina fotsiny ireo..

@freakingcat [15] oram-batravatra nandritr ny volana maromaro – rendrika i Bangkok

@bamboohuts [16] Fiaraha-miory ho an'ny tratran'ny #thaiflood [tondra-drano]. manantena izahay fa hifarana haingana ao anatin'ny fahapotehana kely indrindra ity krizy ity.

@TheLilyfish [17] mahatalanjona ny mponina avy ao Ayutthaya izay manana toetsaina ambony mandrakariva sy tia namaa na dia efa 3 metatra ambanin'ny rano aza…

[18]

Lasakam-pasika ambonin'ny haavon'ny rano. avy amin'ny mpisera twitter @khunknow

@alexandrachua [19] RT @Vvanessaaaa: Thailand dia manana faritany 77 saingy 55 no tondraka ary miandry ny anjarany ny ambiny.

@ChaiyaBenz [20] Mitady ho ratsy koa ny tondradrano any Khon Kaen. mbola miakatra ny rany avy amin'ny reniranon'i Nampong ! Vonjeo!! #Thaiflood

@thai_intel [21] tatitra milza fa maro ny tsenam-barotra thai no mamela malalaka ny olona hametraka ny fiarany eo amin'ny parking mba tsy haninona

@tulsathit [22] Miantraika any amin'ny ozinina mihoatra ny 1200 manerana ny firenena ny tondra-drano, ary mahazo mpiasa 41000. Miantso ny ozinina tsy handroaka mpiasa ny Govt