Tantara tamin'ny 10 Oktobra 2011
Moldavia: Saritaka diplomatika nandritra ny fetim-pirenena Rosiana
Nankalaza ny fetim-pirenena ny Federasiona Rosiana tamin'ny 12 Jona (Andron'ny Rosia). Tany Moldavia, nisy fifamaliana [ro] diplomatika ny andro nialoha ity fety ity izay nivadika ho fanalam-baraka diplaomatika ity. Nitatitra ny haino...
Etazonia: Mankatoa Lalàna Henjana Momba ny Fifindrà-monina Ny Fanjakana Ao Alabama
Ny 29 Septambra 2011, nankatoavin'ny fanjakan'i Alabama ny lalàna HB56, ny henjana indrindra amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina any Etazonia, nanaraka ny dian'ilay S.B.1070 an'i Arizona izay efa niteraka resabe tokoa, manao ny satan'ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ho toy ny mpanao heloka bevava. Vakio ny fanehoan-kevitry ny tontolon'ny bilaogy.
Bahrain: Tanora Mpanao Fihetsiketsehana Maty Nisy Nitifitra
Nitrangàna fihetsiketsehana tao Barhain tamin'ity herinandro ity noho ny fahatezeran'ireo olona misaona nandevina an'i Ahmed Al-Qattan 16 taona, maty voatifitra tamin'ny basim-borona araka ny voalazan'ny minisitry ny Atitany, izay tsy...
Yemen: Mankalaza ny Herimpon'ireo Vehivavy Revolisionera
Tanatin'ny valo volana nanaovan-dry zareo fanoherana am-pilaminana, fakàn-tahaka ho an'ny rehetra ny Yemenita, tsy ho an'ny Arabo fotsiny fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Na dia firenena Arabo mahantra indrindra aza, nasehon'ireo lehilahy sy vehivavy Yemenita ny maha-manankarena azy ireo amin'ny resaka fahasahiana, faharetana ary fijoroana tsy azo hozongozonina, saingy ny tena nampihaiky volana izao tontolo izao dia ny fahatonian-dry zareo.. Noon Arabia dia manolotra haja manokana ho an'ireo vehivavy Yemenita ato anatin'ity lahatsoratra ity.
Mametraka an-tsarintany ny tondra-drano any Thailandy
Amin'izao fotoana anoratana izao, 252 no efa maty ao Thailandy noho ny oram-batravatra naharitra roa volana izao. Faritra maro ao Bangkok, renivohitry ny firenena, no efa difotry ny rano tondraka. Natsangana ny Sarintany An-tserasera hanaraha-maso ny fizotry ny tondra-drano sy hampilaza ny olona izay mety ho fiitatry ny voina.