- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fanabeazana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny  fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny  fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina [1], tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa.

“May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko po sa kanya, parang Coca-Cola. Noong araw, ‘regular.’ Naging ‘light.’ Ngayon, ‘zero,'” said the president.

Nisy olona nanontany ahy hoe, ‘manao ahoana ny fiainam-pitiavanao?” Novaliako hoe, tahaka ny Coca-Cola. Indraindray, ‘milamina.’ Ary avy eo indray lasa ‘mamiratra.’ Ary ankehitriny kosa, ‘aotra,'” hoy i Aquino namaly.

Notaterin'ny fampahalalam-baovao [2] fa niaraka taminà vehivavy marobe ny filoha hatramin'ny nisarahany tamin'ny sipany Soledad Shalani tamin'ny taona lasa. Hisarika fampiasam-bola Shinoa ho an'i Filipina ny anton-diany tany Shina.

Niteraka vazivazy sy fahalianana [2] ny amin'izay vehivavy mety hiaraka aminy aoriana ny fanehoan-kevitra nataony

AOTRA ny fianany ara-pitiavana ankehitriny, ny fanontaniana dia hoe, iza indray no manaraka? Ary rahoviana ny mpiray tanindrazana aminy vao mba hijery mariazy lehibe ao an-dapa?

Misy kosa anefa ireo sasany tsy misangy tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny filoha. Not Offline nibilaogy [3]mikasika ny antony nahatonga ny fianam-pitiavan'ny Filoha lasa lohahevitra ao amin'ny firenena.

Tadidiko tsara izy tezitra mafy raha niditra lalina tamin'ny fiainany manokana  ara-pitiavana ny fampahalalam-baovao, nilaza izy fa tsy tokony hitsabaka amin'ny fiainany manokana ny fampahalalam-baovao. Ny ampitso anefa, indro fa toa niresaka izany indray izy.

Aotra ho an'ny Zon'olombelona

Nandritra izany, nampitaha [4] ny fiainam-pitiavana ‘aotra’ -n'ny Filoha amin'ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ireo mpiaro ny zon'olombelona:

[4]

Mokong Perspective miandry fatratra [5]ny andro tsy hisian'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona intsony ao amin'ny firenena.

Sana someday when asked “Kamusta human rights violations sa inyo?” Pinoys would say “parang Coca-Cola. Nung araw regular, naging light, ngayon zero.”

Antenaina tokoa fa rehefa misy manontany indray andro any hoe “manao ahoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao amin'ny firenenareo?” Dia hilaza i Filipinos hoe “tahaka ny Coca-Cola. Ny andro hafa, ‘milamina.’ Ary avy eo indray lasa ‘mamiratra.’ Ary ankehitriny kosa, ‘aotra,'”.

Nanamarika ny vondrona iraisam-pirenena sy ny vondrona ao an-toerana ho an'ny zon'olombelona fa tsy mba nisy zavatra firy nataon'ny fitondran'i Aquino ny amin'ny fiadiana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona [6]sy ny fandravana ireo tafika tsy miankina.

Fikambanana mpiaro ny zon'olombelona mipetraka ao Filipina namoaka tarehimarika [7] fa 48 ireo novonoina ho faty tsy nisy fitsarana, 5 ny fangalana ankeriny, 29 ny fampijaliana, 151 ny fisamborana tsy ara-dalàna ary 3.010 ireo niharan'ny fanerena hiala ao amin'ny tanàna ambanivohitra.

Aotra ny an'ny Oniverisitem-panjakana sy ny Kolejy

Niditra anaty lisitra ny mpianatra manohitra ny fampihenana ny tetibola  ho an'ny Oniversitem-panjakana sy ny Kolejy  (SUCs) [8], nampitaha ny fiainam-pitiavana aotra an'i Aquino amin'ny fampihenana ny fandaniana ho an'ny sekolim-panjakana ny fotoana tamin'izany.

[8]

Natokana amin'ny fanamboarana fotodrafitrasa vaovao sy fividianana fitaovana vaovao ny fampiasam-bola vahiny. Sekoly fito no hahena ny tetibolany, fampihenana hatramin'ny 569,8 tapitrisa eo no fantatra fa hotanterahina amin'ny taona 2012 amin'ny tetibolam-panjakana. Nahena ny ny tetibola izany noho ny Fidinan'ny Oniveriste Filipina laharana ao anatin'ny oniversite tsara indrindra manerantany [9].

Ny 16 Septambra no Andron'ny Asa an'ny Bilaogy ho an'ny Fampianarana [10]. Eo am-pikarakarana  grevy atao amin'ny 21-23 Septambra ao an-tsekoly [11] ny mpianatra mba hanohitra izany fampihenana ny tetibola ho an'ny fampianarana sy ny asa ara-tsosialy .