Tantara tamin'ny 22 Septambra 2011
Masedonia: Fankalazana Ny Fandresena Amin'ny Lalao Basketball Manerana An'i Litoania
Niely manerana ireo arabe, lavarangana sy kianjan'ny firenena anatin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fahatafidiran'ny Niely manerana ny araben'ny firenena, lavarangana sy kianjan'ny tanàna, tanaty tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fidiran'ny Masedoniana amin'ny manasa-dàlana amin'ny fiadiana ny ho tompon-daka Eoropeana amin'ny lalao basket-ball. Mitatitra i Filip Stojanovski reports.
Izao Tontolo Izao: Misaona tamin'ny nampiharana ny didy famonoana an'i Troy Davis
Na dia nahazo fampiatoana aza i Troy Davis androany maraina [alarobia], efatra ora monja taorian'ny tatitra nataonay dia novonoina i Davis. Mizara ny heviny ny mpisiokantsera manerantany
Tonizia: Mpitoraka Bilaogy Voadaroky Ny Mpitandro Filaminana Noho ny Fitantaràny Hatsikana
Valo volana taorian'ny naharava ny fitondran'i Ben Ali, mbola tsy nampiato ny herisetrany sy ny fanimbazimbany ny zon'olombelona ihany ireo mpitandro filaminana any Tonisia. Ny Alarobia, voasambotra sy voadaroky ny mpitandro filaminana i Azyz Amamy (@Azyyoz), mpitoraka bilaogy noho ny fitantarany hanihany momba ny akondro fony izy teny akaikin'ny tobin'ny mpitandro filaminana iray. Tohina ireo mpitoraka bilaogy.
Danemarka : Farany, Niantso Fifidianana Ny Praiminisitra
Androany(26 Aout 2011), nanala ny fitaintainan'ny Danoa ihany ny Praiminisitra Danoa Lars Løkke Rasmussen nony farany, tamin'ny fiantsoana fifidianana parlemantera : ny andro lehibe dia afaka telo herinandro, ny 15 septambra. Maria Grabowski no manolo-tena mitatitra indroa amin'ny aterineto ny nateraky ny fiandrasana ela ny fanambaràn'ny PM.
Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha
Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka...