- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Hetsika Manerantany Manohitra ny Tohodrano Belo Monte an-tsary sy lahatsary

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fampandrosoana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Tontolo_iainana

Nisandrahaka manerantany ny fihetsiketseham-panoherana ny fananganana ny tohodrano Belo Monte ny 19 ka hatramin'ny 22 Aogositra 2011. Na dia efa nanomboka aza ny asam-pananganana ity tohodrano ity [1], dia manomana fihetsiketseham-panoherana an'aterineto sy eny an-dalamben'ny tanàna maro any Brezila sy manoloana ny masoivoho sy Kaonsilà Breziliana ny mponina. Miaro ny mponina niorina tao hatry ny fahagola sy ny fambolena nentim-paharazana any amin'ny faritra Volta Grande do Xingu fanjakan'i Para ry zareo ireo ary miantso ho amin'ny fiarovana ihany koa ny Alan'i Amazonia [2] sy ny tontolo iainana manodidina. Amin'ity lahatsoratra ity no anangonanay ny lahatsary sy sarin'ireo fihetsiketsehana manerantany.

Sao Paulo, tanàna lehibe indrindra any Brezila no nanomana ny fihetsiketsehana lehibe indrindra; nizotra tao amin'ny Avenue Paulista izany ary mandray anjara ao ihany koa ireo indizeny izay misy fiantraikany amin'ny fiainany  ny fananganana ity tohodrano hakana angovo ity. Raphael Tsavkko, izay mpanoratra [3] ato amin'ny Global Voices no nisiokantsera [4] (@Tsvakko) izay fahatsapany sy saripika maromaro avy amin'ny Diabe tao Sao Paulo nandritra ny folakandron'ny 20 Aogositra:

Banner reads: "Xingu Alive - Not Belo Monte!". Photo by Raphael Tsavkko on Flickr, used with permission. [5]

Sora-baventy: "Velona i Xingu – Fa tsy i Belo Monte!". Saripika Raphael Tsavkko ao amin-ny Flickr, nahazoana alalana.

Nandrehidrehitra ny tanàna ny hafanampo, ary nisy Indiana nandoro saribakoly antsoina hoe “Dilma” [avy amin'ny hoe Filoha Breziliana Dilma Rousseff [6]]:

Demonstrators march and burn an effigy in protest over the Belo Monte power plant construction. Sao Paulo, Brazil. Photo by Cris Faga, copyright Demotix (20-08-2011) [7]

Diabe sy fandoroana sary ho fanoherana ny tetikasa hananganana ny tohodrano Belo Monte. Sao Paulo, Brezila. Saripika Cris Faga, copyright Demotix (20-08-2011)

Ny hetsika Brasil pela Vida nas Florestas (Brazil manohana ny fiainana an'ala) namoaka tamin'ny bolongany [8] rohin'ny rakitsary roa ahitana ny fihetsiketseham-panoherana: ny an'i Luanda Francine ao amin'ny Flickr [9] sy ny an'i Verena Glass ao amin'ny Picasa [10].

Namoaka fanombatombanana moa ny Polisy-Miaramila fa eo ho eo amin'ny 800 ny olona nanatrika ny fanoherana tao Sao Paulo. Jereo ny lahatsarin'ny fanoherana tao an-tanàna, mivoaka ao amin'ny YouTube napetrak'i Dhirak [11]:

Ny vohikalan'ny Rede Brasil Atual no mitatitra ny fanoherana tany Belém, renivohitr'i Para, fanjakana hananganana ny tohodranon'i Belo Monte. Danilo Ramos no namoaka sary vitsivitsy [12] ny diabe izay nizotra tamin'ilay tsena malaza Ver-o-Peso sy ny toerana manan-tantara hafa ao afovoan'ny tanàna.

Tao Altamira, ny fivondronana hananganana ny tohodrano, dia ny andro mialoha no nanaovana ny fihetsiketsehana, ny zoma19 Aogositra. Karen Hoffman no namoaka tao amin'ny Flickr-ny [13] sary 15 tamin'ity hetsi-panoherana ity.

Ny diaben'i Fortaleza, tao amin'ny fanjakan'i Ceará, dia nizotra tao amin'ny fari-pivarotana tao afovoan-tanàna. Amin'ny alalan'ny posters sy ny teny filamatra no hihetsehan'ny mpikatroka manohitra ny tetikasa Belo Monte, sy ny fanoherana ihany koa ny lalàna vaovao momba ny ala:

March against the Belo Monte dam in Fortaleza, Brazil, on August 20, 2011. Photo by the author Joao Miguel Lima. [14]

Diabe fanoherana ny tohodrano Belo Monte tany Fortaleza, Brezila, tamin'ny 20 Aogositra 2011. Saripika Joao Miguel Lima.

Tany Brasília, renivohi-pirenena ao Brezila, mandihy sy mihira fanandratana ny ala, ao amin'ny toerana voajanahary manakaiky ny tranoben'ny minisiteran'ny fitondrana federaly. Jereo ity lahatsary nivoaka tao amin'ny YouTube avy amin'ny mpisera FSPompeo2 [15] ity:

Tamin'ny 22 Aogositra, dia fihetsiketsehana – izay nambara [16] tao amin'ny vohikalan'ny fikambanana Xingu Vivo – no nizotra tao Rio de Janeiro, teo anoloan'ny foiben'ny Bankim-pirenena misahana ny Fampandrosoana (BNDES), miantso ny fitondrana tsy hampiasa ny volam-bahoaka amin'ny fananganana ny tohodrano.

Mieritreritra an-toerana ihany, mihetsika manerana ny tany

Nandritra ny Andro Iraisam-pirenena ho fiarovana an'i Amazon [17], 22 Aogositra, no niofo nahatratra ny manerantany ny hetsi-panoherana ny fananganana an'i Belo Monte. Ny fikambanana iraisampirenena Survival izay natokana hiaro ny vahoaka indizeny, namoaka lahatsoratra [18] miaraka amin'ny sary avy any amin'ny tanàndehibe manerana izao tontolo izao, tahaka ity iray avy ao Londres:

"Dozens of people demonstrated against the Belo Monte dam, outside the Brazilian Embassy in London today." Credit © Survival [18]

"Olona ampolony manohitra ny fananganana ny tohodrano Belo Monte, ivelan'ny masoivoho Breziliana ao Londres." Credit © Survival

Ao amin'ny Twitter, Xingu Vivo no mizara [19] lahatsary ahitana ny fanoherana ny fananganana an'i Belo Monte tao Paris, Frantsa:

Any Etazonia, mpikatroka avy ao San Francisco no manao izay handrenesana ihany koa ny feony:

"Brazil: No Belo Monte Dam! Save the rainforest" outside the Brazilian consulate in San Francisco, USA. Photo by International Rivers on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0) [20]

"Brezila: Tsy mila ny tohodrano Belo Monte! Arovy ny ala" Eo ivelan'ny masoivoho Breziliana ao San Francisco, Etazonia. Saripika International Rivers ao @ Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Demonstrators holding signs outside the Brazilian consulate in San Francisco, USA. Photo by International Rivers on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0) [21]

Mpanao fihetsiketsehana manandratra marika ampitan'ny masoivoho freziliana ao San Francisco, Etazonia. Saripika International Rivers ao @ Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Any Meksika misy mpikatroka mivezivezy miaro ny “rano sy fandriampahalemana” (#CaravanaTemaca [22]) nanao fihetsiketsehana [23] manoloana ny Kaosilàn'i Brezila ao Guadalajara “ho fiaraha-mientana anoherana an'i Belo Monte”. Ny tanjon-dry zareo moa dia ny hanolotra taratasy [24] amin'ny Kaonsily “hitaky ny hanajana ny zon'ireo olombelona iharan'ny fanjavonana”:

Foto de Sididh / Prodh (Sistema integral de Información en Derechos Humanos del Centro Prodh) no Twitpic (@Sididh). [23]

Saripikan'ny Sididh / Prodh (Sistema integral de Información en Derechos Humanos del Centro Prodh) no Twitpic (@Sididh).

Manana fanangonan-tsonia [25] mandrisika ny filoha Dilma Rousseff hampitsahatra ny fanitarana ny tohodranon'i Belo Monte i Avaaz ary “hampiasa vola amin'ny angovo mahomby sy loharanonkery madio, hiaro ny zo fototry ny olona taloha (indizeny) sy ny fokonolona ao an-toerana ary hanohana ny fampandrosoana miaro ny fiainana sy ny tontolo iainana”.

Efa novakian'i Lou Gold [26] [notsaraina] ity lahatsoratra ity.