01 Septambra 2011

Tantara tamin'ny 01 Septambra 2011

Libya: Bilaogera Eo Anelanelan'ny Jadona Sy Ny Ady

  01 Septambra 2011

Efa ho enim-bolana izay no nanombohan'ilay fanoherana tao Libia. Ahoana no niainan'ireo Libiana ny sehatry ny bilaogy talohan'ny revolision'ny 17 Febroary ary ahoana ny fizotran'izany ny volana vitsivitsy farany teo? Fozia Mohamed dia nanara-maso akaiky ny tontolon'ny bilaogy hahafahany mizara izany amintsika.

Libya: Ny Fanafahana an'i Tripoli

Tamin'ny 20 Aogositra 2011, no nanomboka ny Hetsika ara-miaramila Mermaid Dawn (zazavavindrano fiposahan'ny masoandro) hanafahana an'i Tripoli ka niantsona ny Allahu Akbar (Lehibe ny Tompo!) hatrany amin'ny moské an-jatony niely manodidina ny tanàna. Ity no fanairana nifanarahana izay nandrasan'ireo mponina ao Tripoli mba hitsanganany toy ny olona iray manoloana ny ratsy....

Brezila: Hetsika Manerantany Manohitra ny Tohodrano Belo Monte an-tsary sy lahatsary

  01 Septambra 2011

Nisandrahaka manerantany ny fihetsiketseham-panoherana ny fananganana ny tohodrano Belo Monte ny 19 ka hatramin'ny 22 Aogositra 2011. Na dia efa nanomboka aza ny asam-pananganana ity tohodrano ity, dia manomana fihetsiketseham-panoherana an'aterineto sy eny an-dalamben'ny tanàna maro any Brezila sy manoloana ny masoivoho sy Kaonsilà Breziliana ny mponina. Miaro ny mponina...