- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices Podcast 2: Manome Lanja ny Fitenintsika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Azia Atsinanana, Israely, Kanadà, Mali, Timor Atsinanana, Fiteny, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina, Global Voices Podcast

Global Voices Podcast Homepage [1]Subscribe in iTunes [2]

Miarahaba antsika rehetra!

Hiresaka momba ny Fiteny indray isika amin'ity  Global Voices podcast [1] andiany faharoa ity. Azonao jerena ny lahatsoratra maromaro momba ity lohahevitra ity “amin'ny fitenintsika sy ny Aterineto [3]“amin'ny fitantarana manokana nataonay. Ny fomba fiteny, fanoratra, fihetsika, ny firesaka ary fifandraisana ataontsika no toa lohahevitra tsara hiadin-kevitra ka sarotra tokoa ny hisafidy izay tokony hodinihana amin'ny podcast. Antenaina fa ho hitanao ato amin'ny resadresaka ataontsika ato izay tsara tokony hohalalinina.

Fomban-drazana nohavaozina


[4]Anombohana azy, Solana Larsen [5], talen'ny fanoratana, izay manadihady ilay mpanoratra ao amin'ny Global Voices Israel Dr. Carmel Vaisman [6] momba ny bokiny vaovao Hebrew Online [7] (izay efa azo vidiana amin'ny teny Hebreo avy amin'ny Fivarotam-Boky Keter ) [8]. Mahafinaritra tokoa ny mahafantatra ny fiavian'ny fiteny Hebreo, ny fomba nandrosoany sy ny nivoarany amin'ny fampiasana azy araka ny fotoana.

Jeografia sy ny fiteny


[9]Na miserasera na tsia, milaza betsaka ny mombamomba antsika ny fiteny ampiasaintsika na am-bava na an-tsoratra. Ny safidy amin'ny fiteny ofisialy ao amin'ny firenena iray, dia midika  zavatra maro fa tsy fomba ifandraisana fotsiny ihany . Sara Moreira [10] no mpanoratra amin'ny fiteny Portuguese [11] ao amin'ny Global Voices. Milaza amintsika momba ny faritra iasany amin'ny asa fanaovan-gazety izy, izay tsy ara-jeografika ihany fa kosa mifanakaiky kokoa amin'ny fomba fiteny.

Mitantara angano

[12]Tsy ny fiteny izay ampiasantsika ihany no tena mahaliana fa izay zavatra lazaintsika ihany koa. Claire Ulrich [13] no mpanoratra amin'ny teny frantsay ao amin'ny tranokala Global Voices [14]no sady mpanoratra mpanampy amin'ny lahatsoratra Frantsay ihany koa. Claire no manasongadina ny lahatsoratra adikan'i Boukary Konate [15], mpandika teny ao amin'ny Global Voices sy mampahafantatra ny fiainana ao Mali. Mitantara amintsika Angano ao amin'ny Tanàna iray i Claire izay ahafahantsika rehetra manatsoaka lesona.

Hafatra voaray

[16]Tsy natao ho zavatra tenenina sy soratantsika fotsiny ny fiteny rehetra. Fa zavatra iray ampiasantsika mba ahafahana miserasera ihany koa izy. Jeremy Clarke [17] no lehilahy tompon'antoka tamin'ny fandrafetana sy fanaovana ny haingon-tsary ao amin'ny tranokalan'ny Global Voices. Ny hany azo ambara dia betsaka ny zavatra nataony, ary misaotra azy isika satria izy no nahatonga an'ny  GV eto ka nahafahan'ireo mpiara-miasa sy mpamaky rehetra mampiasa sy miditra ao amin'ny GV. Niresaka momba izany hoe fitantanana fikambanana lehibe izany isika ary ny fomba mety misy resaka politika amin'ny fiteny fantatra.

Izay no momba ity fandaharana Global Voices podcast ity, kanefa mbola hiverina izahay mba hihaino anao indray. Aza misalasala maneho hevitra na manome sosokevitra amin'ny manaraka.

Hirahira

Amin'ity podcast ity, afaka mihaino hirahira  maromaro ianao, zon'ny mpamorona Creative Commons . Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny mpihira ianao, indreto sombiny amin'izy ireo.

Misaotra an'i Orb Gettarr [18] tamin'ny Atlanteans Lemurian Candidate, misaotra an'i Mark Cotton [19] tamin'ny Spiritualized Homage nataony , i Superbus [20] feat. NS [21] Fujjad! Maro koa ireo hira hita tao amin'ny OpSound.Org [22], The Free Music Archive [23] na hita mivantana ao amin'ny tranokalan'ireo mpanankato. Misaotra ny rehetra ihany koa tamin'ny feo sy ny rakitsary ary ireo rehetra izay nanampy tamin'ny fanatontosana ny podcast

Misaotra anao nihaino ary manantena hizara aminao indray ny  Global Voices podcast manaraka!

[1]