Tantara tamin'ny 08 Aogositra 2011
Togo : Miampànga Ny Fanitsakitsahana Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ireo Togole Mpanao Gazety
Nivelively ny rarivato natao ho làlana ireo togole mpanao gazety tamin'ny Sabotsy 06 Aogositra mba hanoherana ny fandrahonana ho faty mahazo ny sasany amin'ny naman'izy ireo. Tamin'ny Alarobia 03 Aogositra no nalefan'ny fikambanana "SOS Journaliste en danger"(Vonjeo ny mpanao gazety fa tandindonin-doza) ny antso, tao Lomé. Ireny fandrahonana ireny dia avy amin'ny Masoivohom-pitsikilovanam-pirenena na "Agence nationale de renseignement (ANR)" ary drafitra ikendrena mihitsy ny «hanohintohinana ara-batana ireo mpanao gazety, indrindra amin'ny famoronana loza sarintsariny, ny fanapoizinana, ary ny famoronana antontan-taratasy isan-karazany etsy sy eroa». Sylvio Chombey no manazava:
Syria : Ramadan mitohy, vono olona mitombo
Mitohy mpandritra ny Ramadany ny fihetsiketsehana miantso ny "fialan" 'ny filoha Bachar Al Assad any Syria. Nitombo ny isan'ny maty ary mitohy ihany koa ny resabe manerana ny tontolo Arabo.
Global Voices Podcast 2: Manome Lanja ny Fitenintsika
Miarahaba antsika rehetra! Hiresaka momba ny Fiteny indray isika amin'ity Global Voices podcast andiany faharoa ity. Azonao jerena ny lahatsoratra maromaro momba ity lohahevitra ity “amin'ny fitenintsika sy ny Aterineto“amin'ny fitantarana...
Fomba Fanaovan-tsakafo Amin'ny Ramadany : Fety Be Aorian'ny Fifadian-kanina
Satria manomboka ny volan'ny Ramadany, dia nanomboka nizara lisitra bilaogy ahitaàna rohy mankaminà fomba Iftar mahafinaritra vitsivitsy i Maria Grabowski. Miangavy anao hizara aminay izay tena ankafizinao koa!
Kambodza: Nampisy Fanadihadiana ny Vaovao navoakan'ny Bilaogy Iray
Manadihady ny fahafatesan'ny tanoravavy mpanampy iray tany Malezia ankehitriny ny mpanao politika avy amin'ny mpanohitra kambojiana sy nytompon'andraikitra ao amin'ny masoivoho rehefa nitatitra ny fisian'ny fikasihan-tanana tafahoatra mpanampy iray ny bilaogy mpamoaka vaovao iray.