- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Côte d'Ivoire : Ny Antsipirihan'ny Fisamborana Ny Filoha Teo Aloha Anaty Lahatsary Vaovao

Sokajy: Afrika Mainty, Cote d'Ivoire, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Politika

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokan'ny Global Voices momba ny  tKorontana ao  Côte d'Ivoire 2011 [1]. [1]

Taorian'ny fisamborana [2] an'i Laurent Gbagbo tamin'ny  11 Aprily 2011 tao  Abidjan, filoha teo aloha tao  Côte d'Ivoire, sy ny vady andefimandriny Simone, mbola misy iohany ireo teboka manjavozavo tavela ao anatin'ireo dingana samihafa nitondra tamin'ny nahasamborana azy.

Ny vohikala  Abidjan.net [3] dia namoaka andian-dahatsary [4] mitondra ny lohateny hoe  ” Ny Horonantsarin'ny Fisamborana an'i Laurent Gbagbo: Singa Vaovao”, voazarazara ho ampahany 4 mananan faharetana 10hatramn'ny 14 minitra. Ity iray ity dia mampiseho ny ampahany amin'ny tranga nisamborana an-dry Gbagbo, nanomboka tamin'ny fanbdarohana baomba ny toeram-ponenan-dry zareo  nataon'ny tafika Frantsay ka hatramin'ny namindràna ny fianakavian'i Gbagbo ho any amin'ny  Hôtel du Golf.

Singa vaovao

Ny lahatsary voalohany [5] amin'ilay andiany dia mampiseho ny zava-nitranga minitra vitsy taorian'ny nahasamborana an'i  Gbagbo. Simone Gbagbo, vadin'ny filoha dia nanonona teny vitsy teo anoloan'ny fandraketantsary ; mbola misy miaramila mitam-piadiana sy mpikarama an'ady liberiana miady foana eto Abidjan amin'izao fotoana izao, hoy izy :

Tsy tsara ny tifitra.

Nangatahana hiteny mafy izy, saingy hoy ny navaliny:

Tsy vitako, lany ny heriko.

Toa tsara karakara ihany izy mivady, ary  Simone aza dia nantsoina mihitsy hoe “Neny”, fanehoana fanajàna eo anivon'ny ankamaroan'ny fiarahamonina afrikana maro. Midika izany fa ny hafatrafatra nomen'i Alassane Ouattara, izay filoha ofisialin'ny Repoblikan'i Côte d'Ivoireamin'izao fotoana, dia nankatoavina tokoa.

Ao anatin'ilay lahatsary farany, manazava ny zava-nitranga tao anatin'ilay “bunker” ny iray tamin'ireo miaramila Ivoariana nandray anjara tamin'ny fisamborana ny filoha teo aloha:

Désiré Tagro (iray tamin'ireo minisitra fahiny niaraka tamin'i Laurent Gbagbo, maty [6] fotoana fohy taorian'ireo tranga ireo) dia niantso niteny fa hiavoaka izy ary hitondra saina fotsy, (…) mba tsy hisy hitifitra. (…) Natsahatra nay tifitra, ary dia nivoaka daholo izy rehetra , nitandahatra tahaka ireny voalavo nivoaka an-davaka ireny. Gbagbo no teny aloha ao anaty akanjo aro bala vita frantsay. Noraisinay mitokana i Gbagbo, napetraka tao anatin'ny fiaran'ny Jeneraly Gal Wattao, dingana manaraka, ny  Golf

Io lahatsary io dia mampiseho ihany koa mpikambana sasany ao anatin'ny fianakaviany, voasambotra niaraka tamin'izy mivady, navangongo tao aminà efitrano iray hafa tao amin'ny hotely:

Resadresaka nolazaina fa nifanaovana tamin'i  Gbagbo

Taorian'ny fisamborana azy,  nafindra [7] tany Korhogo i Laurent Gbagbo, any avaratr'i  Côte d'Ivoire, faritra izay itazonana azy aminà toerana voaambina amin'izao fotoana. Mbola manana mpanohana izy, indrindra fa avy amin'ireo ivoariana sy afrikana  mpila ravinahitra any ivelany [8].

Nisy ihany koa vaovao niely mikasika ny hoe resadresaka lazaina [9] fa nataon'i Laurent Gbagbo tany amin'ny miafina ho anàa mpanao gazety iray tany  Genève. Nilaza ilay mpanao gazety foto-dresaka fa hoe naharay SMS avy amin'ilay filoha teo aloha, izay nampiasa finday adinon'ireo nisambotra azy.

Taminà hanihaniìy no nanehoan'ireo UIvoariana ny heviny. Yopougon10, izay mitondra fanamarihana amin'ny alalan'ilay lahatsoratra anaty bilaogy [10] momba io resadresaka io dia miteny hoe:

mdr !!! tena nandresy tokoa tamin'ny fifidianana i Gbagbo nanao io resadresaka io!!

Araka an'i @Woizo_SP [11] ao amin'ny Twitter :

tpt ny sms nalefan'i gbagbo ho tafatafa: ” Laurent Gbagbo ihany ity. Mba antsoy aho azafady raha azonao atao, tsy vazivazy ity an” tpt mamofompofona tsy izy izany

Tsy voamarina ny fahamarinan'ilay resadresaka, ary raha ny hevitr'ireo manampahaizana, dia tsy ho nisy velively izany.

Filoha teo aloha tsara karakara

Alatsinainy 2 mai 2011, nitsidika an'i Laurent Gbagbo ny mpikambana telo avy amin'ny vondron'ny “sakaiza fahiny/ Anciens [12]” : Koffi Anan, Desmond Tutu sy Mary Robinson. Nolazainy tamin'izy ireo fa tiany ny “hiverenan'ny firenena amin'ny fiainany andavanandro”.

John James, iraky ny BBC any Côte d'Ivoire, dia namoaka sary vitsivitsy momba io fitsidihana io ao amin'ny mombamomba azy ao amin'ny  Facebook [13].

Lauren Gbagbo and Koffi Anan in Korhogo, Côte d'Ivoire. Image by John James, posted on Facebook. [14]

Laurent Gbagbo sy Koffi Anan tao Korhogo, Côte d'Ivoire. Sary John James, nalefa ao amin'ny Facebook.

Ny fanadihadiana savaranonando an'i  Laurent Gbagbo dia noraiketina [15] ho ny  4 mai 2011, saingy araka ilay mpanao gazety  Théophile Kouamouo ao amin'ny  bilaoginy [16], dia nahemotra ho ny  6 mai io andro io.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokan'ny Global Voices momba ny  tKorontana ao  Côte d'Ivoire 2011 [1]. [1]