- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Singapore: Kianin'ny Mpitoraka Bilaogy ny Fandaharanasan'ny PAP

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Politika

Ny antoko mitondra ao Singapore, People’s Action Party (PAP), dia namoaka ny fandaharanasany ho amin'ny fifidianana [1] tamin'ny 17 Aprily 2011, izay nokianin'ny mpitoraka bilaogy maro avy hatrany ho “safo be mantsina loatra.” Efa teo amin'ny fitondrana ny PAP nandritra ny taompolo dimy nifandimby. Amin'ny 7 May ny fifidianana Faobe [2] eo amin'ny firenena no hatao.

Ny fandaharanasan'ny [3] PAP dia mampanantena hoavy mendrika kokoa ho an'ny Singaporeana rehetra.

Afaka matoky ny PAP ianareo amin'ny fanaovana izay tsara indrindra ho an'ny Singaporeana avy amin'ny lafim-piainana rehetra,  ary hampirary antsika rehetra na amin'ny andro maharavo na amin'ny andro manjombona. Isika miaraka, hataontsika ho fiarahamonina mihetsiketsika sy miara-mientana i Singapore, miaraka amin'ny fahafahan'ny olom-pirenena tsirairay isam-batan'olona hanana fiainana mendrika. Ho firenena sady an'ny tanora no an'ny antitra isika.

Hanatràrana izay vina izay, manantena ny fanomezan-dàlana avy aminareo izahay mba:

• Hamoronana fahafahana mampitombo ny vola miditra ho an'ny rehetra
• Hanatsaràna ny fiainan'ireo Singaporeana kely fidiram-bola
• Hanomezana ny tsara indrindra an'ireo ankizy madinika tsirairay
• Hamboatra tanàna iray mihetsiketsika sy toeram-ponenana maharaiki-pitia
• Hanampiana ireo zokiolontsika ho mavitrika, salama ary mandray andraikitra
* Hanosika ny Singaporeana rehetra hifampizara ny ampitsontsika

Ity ambany ity ny lahatsary [4] misy ny fandaharanasa nomanin'ny PAP:

Ilay fandaharanasa dia manoritra ny firotsahana an-tsehatry ny PAP hanaja ireo fomba fijery samihafa ao anatin'ny fiarahamonina. Nefa Ing. Brown dia nitaraina [5] fa tsy azo ametrahana fanamarihana ao amin'ny vohikalan-dahatsarin'ny PAP.

jadenster [6] dia nampakatra ity lahatsary ity izay nampitaha ilay fandaharanasan'ny PAP amin'ny zavatra iainana ao Singapore ankehitriny:

cloudywind [7] koa dia manana lahatsary fohy izay miventy ny lova navelan'ny PAP:

Lucky Tan tsy dia taitra loatra [8] amin'ilay fandaharanasa ary mampitandrina fa ireo vahaolana naroso dia efa nampiharina tany aloha tany:

Raha ny marina, izay vahaolana ambàra ao anatin'ilay fandaharanasa, efa ireo foana no nampiharin'ny PAP tato anatin'ny folo taona farany, izany hoe, fanofanana ireo mpiasa kely fidiram-bola ho amina asa iray hafa kely fidiram-bola sy  ny sisa… Rehefa vahaolana mitovy no ampiasaina, dia vokatra mitovy no ho azontsika – hampitombo ny hantsana eo amin'ny fidiram-bola, hampiakatra vidim-piainana ary hampitontongana ny fari-piainana.

Tamin'ny alalan'ny vohikala Wordle [9], i alvinology mampitaha ny fandaharanasan'ny PAP amin'ilay fandaharanasa navoaka tsy ela akory ian'ny Workers’ Party’s (WP), antoko mpanohitra . Ny antontan-taratasin'ny PAP dia misy pejy 25  mitaha amin'ny fandaharanasan'ny WP misy pejy 63. Nanamarika koa ireo mpitoraka bilaogy fa manome antsipirihany kokoa ny fandaharanasa avy amin'ny WP ao anatin'ireo sehatra politika 15 samihafa.

Yawning Bread manakiana [10] ny marika ahafantarana ny mpitarika ny PAP:

Efa tena reraka e. Ary ny tsy takatry ny PAP dia ny hoe io fiziriziriana manjono amin'ny risikan'ny tsy fahatanterahana io no tena nanimba marina an'i Singapore. Lavitra antsika ny hanana fiarahamonina azo antoka sy mitondra fanavaozana,  hanandrana zavatra vaovao ka hahita vokatsoa avy amin'ilay fanandramana, nahatonga antsika tsy ho sahy hanao dingana sy harary saina izany. Tsy mila takarina lavitra araka izany izay anton'ny haavon'ny rarintsaina ho ambony be aty Singapore.

Blogging for Myself miampanga ny PAP ho  ‘vendrana tsy mahalala n'inona n'inona’ [11] amin'ny zava-misy iainana eran'izao tontolo izao:

Amin'ny teny tokana, ny PAP dia VENDRANA. Tsy miandry teoria goavana be tsara lamina mba hanazavana ny maha-olona rahampitso aho, saingy ry zareo kosa tsy manana ny fahafahana misaina tokony ho ilaina mba hitantanana ny tanjaka amin'izao andro izao, ankoatry ny fahaverezan-tsaina aterak'io ka hiteny fotsiny hoe: Tena mbola tsy azo antoka  ny hoavy.

Fotoana fohy ihany no mba niova ny PAP satria aleon'izy ireo misafidy izay olona azony itokiana toy izay olona manana ny fahaiza-manao. Hainareo tsara ny fihodin'ny fifandraisan'ny samy olombelona, tsy hisy mihitsy fahafahanao hanangana fiarahamonin'olona maro azonao itokiana tanteraka izany.

Molly Meek namoaka antontan-taratasy voatsipitsipika [12] amin'ilay fandaharanasan'ny PAP. Ilay fandaharanasa koa dia nofaritany ho toy ny fiarovana  ny efa misy ankehitriny [13]:

Ny fandaharanasan'ny PAP rehefa aravona dia mikasika  ny fitazonana ny efa misy ankehitriny, manatsaratsara endrika sy anaty antontan'isa  nefa ratsiratsy kokoa. Afa-tsy hoe fanitsiana madinidinika, saingy aza manantena  azy ireny hivadika ho tombontsoa mivaingana ho an'ny Singaporeana; aza miandry zavatra akaikin'ny fanovàna fotsiny ny fomba filaza ny ao an-tsaina. (Ary tsia, mazava loatra tsy misy vondrona natao ho mpandinika ao amin'ny PAP.)

Nigel Tan dia tsy mahita izay hombàny fa hoe tsy misy afa-tsy fampanantenana manjavozavo [14] ao anatin'ilay fandaharanasa  :

Toa miaty andiana fampanantenana manjavozavo fotsiny ilay antontan-taratasy, tsy misy antsipirihany mazava mikasika manokana ny politika na fanazavana ny fomba hatao hametrahana ireo zava-maro nambara .

Satria efa tena akaiky ny fifidiana, ireo mpiondana aterineto dia amporisihana hampakatra sary maro [15] ao amin'ny vohikalan'ny GE2011 Media avy amin'io fifidiana io.