21 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 21 Avrily 2011

Singapore: Kianin'ny Mpitoraka Bilaogy ny Fandaharanasan'ny PAP

  21 Avrily 2011

Ny antoko mitondra ao Singapore, People’s Action Party (PAP), dia namoaka ny fandaharanasany ho amin'ny fifidianana tamin'ny 17 Aprily 2011, izay nokianin'ny mpitoraka bilaogy maro avy hatrany ho “safo be mantsina loatra.” Efa teo amin'ny fitondrana ny PAP nandritra ny taompolo dimy nifandimby. Amin'ny 7 May ny fifidianana Faobe eo amin'ny firenena no hatao.

Madagasikara: Endrika sy habe samihafan'ny sivana

  21 Avrily 2011

Ny mpamaham-bolongana Achille52 no mamahavaha ny zavamisy iainan'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana eto Madagasikara (fr), izay amoahany amin'ny antsipiriany ny fomba anelingelenana isankarazany ny mpamaham-bolongana (izay efa nohazavain'ny tatitry ny  Amnesty International...

Belarosia:Ny Ambadiky ny Baomba sy ny Fipoahana

Tsy mbola levona akory ny setroka naterak'ilay fipoahana tao amin'ny Metro ao Minsk tamin'ny Alatsinainy, ny fanontaniana roa manao hoe : "Inona no tokony hatao? - Iza no tompon'andraikitra?" no apetraky ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Belarosiana. Firehan-kevitra roa lehibe no mibahana, fiampangana na ny Filoha President Lukashenko na ny mpanohitra ara-politika, na eo aza ny fihetseham-po lalina mankany amin'ireo niharan-doza toa mampiray ny vahoaka ao Minsk.