- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Endrika sy habe samihafan'ny sivana

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Ny mpamaham-bolongana Achille52 no mamahavaha ny zavamisy iainan'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana eto Madagasikara [1] (fr), izay amoahany amin'ny antsipiriany ny fomba anelingelenana isankarazany ny mpamaham-bolongana (izay efa nohazavain'ny tatitry ny  Amnesty International [2] ihany koa). Nambarany ihany koa fa nakatony tsy ho hitan'ny olona ny bolongany rehefa nisy manamboninahitra polisy nilaza taminy fa misy olona mikaroka ny adiresiny taorian'ny namoahany an-dahatsoratra ireo olona vitsivitsy tafiditra anaty raharaha maizina maro isan-karazany.