- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Lasa alina ny andro noho ny tafiotram-pasika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana

Nisy tafio-drivotra narahina fasika lehibe nandrakotra an'i Koety nandritra ny minitra maro tamin'ity atoandro ity. Niaraka tamin'ny Kamera, nanome topi-maso ny zava-niainany ireo mpampiasa aterineto Koesiana satria dia nivadika ho alina ny andro.

Alkulaib dia mizara ity lahatsary ‘tsy mampino’ ity [1] amintsika:

Ity misy lahatsary iray hafa [2] izay an'i iGhaZy, mampiseho ny fiatraikan'ilay tafio-drivotra tany Jahra:

http://www.youtube.com/watch?v=PYPf69K89Pc

I adua110 dia mizara ity lahatsary ity [3], mampiseho ny faritry ny lanitra rehefa antomotra ny tafio-drivotra narahina fasika:

Ao amin'ny Facebook, nizara ity lahatsary [4] mampiseho ireo mpitondra fiara mifamoivoy raha midina eny amin'izy ireo ny tafio-drivotra.

Raha te-hahita lahatsarin'ity vovoka ity ianao, jereo ity [5] tahiry ity, nozarain'i [6] Faisal Al Fadhel ao amin'ny Twitter.

Misy fifantinana lehibe ireo lahatsary navoaka mikasika ny tafio-drivotra arahina fasika tany Kuwait hitanao ato [7].