Tantara tamin'ny 28 Marsa 2011
Qatar: Rahona artifisialy mitatao ny Kianja
Nanosika ilay firenena kely saingy manankarena halaza indray ny fisian'ny tetikasa iray hamoronana fitaovana mamorona rahona vitan'olombelona azo baikoan-davitra, mandeha amin'ny herin'ny masoandro entina hampangatsiatsiaka ny eny an-kianja. Efa herinandro...
Libanona : Fantaro i Ziad Antar, Libaney mpamokatra lahatsary
Fa iza moa ireo Libane mpanakanton'izao vanimpotoama izao? Manodidina ny fanadihadiana anaty aterineto iray eo ampanomanana ary mikasika ny tontolon'ny fisehoana an-tsehatra vao misondrotra ao Libanona, ny bilaogy mpiara-miasa amin'ilay...
Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana
Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany...
Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe
Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.
Tsy Maharesy Lahatra ny Antoka Nomen'i Taïwan Momba ny Fiarovana ara-nokleary
Vokatry ny loza nokleary tao Fukishina, Japana, nangatahana ankehitriny ny hijerena indray ny politikan'ny angovo nokleary ao Taïwan, ary izany dia amin'ny fomba manokana satria ny toby nokleary faha-efatra dia...
Madagasikara: resaka taorian'ny nijoroan'ny governemanta vaovao
Ny mpamaham-bolongana Thierry Andriamirado no nanome ny lisitr'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta fao najoro indray eto Madagasikara [fr] araka izay nanononana azy tao amin'ny radiom-pirenena. Ny mpamaham-bolongana politika Ndimby kosa...
Koety: Lasa alina ny andro noho ny tafiotram-pasika
Nisy tafio-drivotra arahina fasika lehibe nandrakotra an'i Koety nandritra ny minitra maro tamin'ity atoandro ity. Niaraka tamin'ny Kamera, nanome topi-maso ny zava-niainany ireo mpampiasa aterineto Koety satria dia nivadika ho alina ny andro. Ireto misy toraka tao amin'ny YouTube, Twitter ary Facebook.
Zeorzia: Mpanao gazety voaroaka fa niteny fankahalana tao @ Facebook
Ny 18 Marsa 2011 dia nandroaka ny roa tamin'ny mpanao gazetiny ny Fampielezam-peom-panjakana Zeorziana, dia i Giorgi Tukhareli sy i Giorgi Gabrichidze, noho ny teny fankahalana olona mitia mitovy fananahana...