- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Famonoan'olona maro, nanjavona ny Bilaogera sy Mpanao gazety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Mbola mitohy ny fifandonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Daraa, Syria [1] . Vao maraim-be, tafika manokana no namono farafahakeliny olona 6 [2] nandritra ny fanafihana tao amin'ny Moské Al Omari mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana izay efa nanao ny toerana ho toeram-pivoriana sy hopitaly feno harena.

Nitatitra ny televiziona Syriana eto amin'ny firenena fa andia-jiolahy nitondra basy, fitaovam-piadiana, grenady, sy atonta-bola miafina ao anatin'ny moské no nanafika ny fiara mpitondra marary sy ny mpitandro ny filaminana:

http://www.youtube.com/watch?v=lRg9tdaHgpQ [3]

Nanasongadiana haingana ireo Syriana fa ratsy ny nanaovana ny horonan-tsary. Feno bodofotsy sy fitaovam-panafody ka naloto ny tao amin'ny Moské Al Omari taorian'ny fihetsiketsehana, mifanohitra izay niseho tamin'ny fahita-lavitra Syriana. Nifananihany ireo mampiasa Facebook fa toy ny mampahonena ny faharatsin'ny fitantanana ny fahitalavitra Syriana eto an-toerana ary mitaraina ireo governemanta fa tsy misy manakana ny rano [sivana?].

Nitatitra koa ireo mampiasa Twitter fa Khaled Elekhetyar [4], mpanao gazety Syriana sady bilaogera no tsy heno mihitsy, ary nisy nanao hosoka ny kao