Syria indray no firenena farany isiana fihetsiketsehana lehibe manerana an'i Afovoany Atsinanana (Moyen Orient). Raha tsy nahomby ny fiantsona hihetsika tamin'ny 5 febroary teo, dia nahavory vahoaka an-jatony maro avy amin'ireo tanàna marobe kosa ny fiantsona indray hidina an-dalambe ny 14 martsa, tao anatin'izany ny renivohitra, Damascus sy Aleppo. Raha somary vitsy ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nampatsiahy ny zava-nisy teo aloha tao Syria raha tsy heno ny fihetsiketseham-panoherana ny governemanta, potika tsy azo raisina izay fikasana hanohitra rehetra.
Tamin'ny 16 Martsa, manodidina ny 150 no nanao fihetsiketsehana manoloana ny minisiteran'ny Atitany [1] mitaky ny famoahana ireo gadra noho ny fitenenana, tonga teo koa ireo fianakaviany.
. Naparitaka tamin-kerisetra ireo mpanao fihetsiketsehana ka manodidina ny 38 ireo voasambotra [2].
Androany, fihetsiketsehana goavana no niseho [4] manerana ny firenena, ary ny be olona indrindra dia tao Dara'a, 100Km(60 Miles) atsinanan'ny renivohitra Damascus. Fampiasan-kery mahafaty no nampiasaina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ary nilaza ny fahalalam-baovao fa 6 ireo maty ary manodidina ny 50 no naratra.
Bilaogera Syriana @Okbah nitatitra [5] tao amin'ny Twitter:
Mampiseho ny fihetsiketsehana tao Dara ity horonan-tsary manaraka ity, izay ahitana ireo vahoaka miventso hoe “Ilay Mpiaro no Mpangalatra.”
@Okbah adds [8]:
Nanamafy [9] ilay mpikatroka Syriana antsoina amin'ny solon'anarana hoe Malath Aumran fa efa miseho ny faharavana:
Antson'ny namana iray: fanafihana ny biraon'i Atef Najeeb, sy ny lehiben'ny departemanta ny politikan'ny fiarovana ao Derra #Syria [6]
Avy any Etazonia, nilaza [10] ilay mpikatroka Syriana Ammar Abdulhamid fa:
#Syria [6]: efa revolisiona ofisialy izany. Fifandonana ao #Deraa [11] #Homs [12] #Damascus [13] #Banyas [14]#Hassakeh [15] #DeirAzzor [16] #Hama [17], sns March15 [18] إنها الثورة
Mampiseho ny fiara mpamono afo nampiasaina hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny fitifirana rano:
Nitatitra ny Syrian Revolisiona [19] tao amin'ny pejin'ny Facebook fa angidim-by maromaro no tazana eny amin'ny habakabak'i Dara, ary araka ny lazainy dia tsy misy atahorana ao an-tanàna satria mpitandro ny filaminana an-jatony no miatrana ao. Araka ny voalazan'ny pejy ihany koa, nisy nandoro ireo fiaran'ny mpitandro ny filaminana 6, miezaka manafina ireo vatana mangatsiaka voavono tamin'ny fahamaizana ny manam-pahefana.
Fomban'ireo mpitandro ny filaminana sy ny miaramika no miditra an-keriny ao amin'ny hopitaly ary manery ireo dokotera mba hanao taratasy fanamarinam-pahafatesana sandoka milaza fa namoy ny ainy noho ny lozam-piarakodia ireo olona voavono.
Ho tantarainay eto ihany ny tohin'ny zava-nitranga.