- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Ilazao Izao Tontolo Izao Mba Hanampy

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Voina

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataony momba ny  Horohorontany Japana 2011 [1].

Fikarohana sary nampakarina tao amin'ny Twitter fotsiny dia efa mety hitondra zavatra mahavariana.

Tadiavo ny teny hoe “宮城” (Miyagi) fa dia sary maro samihafa no hiakatra mikasika io  prefecture [2] io, iray amin'ireo tena voadona mafy tokoa tao Japana tamin'ilay tsunami farany teo [3]. Akorisaho midina, dia hisy sary iray [4] hiavaka, boribory kely toa vongan-dranonando miloko volontany sy manga mandram-panapotsitrao azy …

Picture from Kesennuma [4]

Sary avy any Kesennuma, Prefektioran'i Miyagi, Japana, iray amin'ireo faritra tena voadoana mafy tamin'ilay tsunami tsunami.

… hamoaka faritra midadasika toy ny tany voaasa. Io sisa no niafaran'i Kesennuma [5], tanàna kely iray, nahitàna olona an'aliny tany aloha tany.

Vakio ny teny fampahafantarana, dia hisy tantara hivoaka avy amin'ny fitantaràn'ny olona iray nonina tao an-tanàna. Io olona io no nandefa ny sary taminà namany iray, Cherie [6], any Sydney, izay nandefa ilay sary sy mailaka tao amin'ny aterineto. Hoy ny vakin'ilay hafatra:

なんとか家族みな無事でいます。家は半分なくなりました
家の前の風景で家も駅も商店街も何にも無くなりました…

Azo lazaina ho tsy nisy tohina ny rehetra ato amin'ny ankohonako. Izao no zava-misy hita avy aty an-tranonay, izay lasa amin'ny antsasany. Ny zavatra rehetra eo anoloan'ny tranonay, ny fiantsonan'ny fiaran-dalamby, ny faritry ny tsena, dia samy voafafa / voafaoka avokoa…

宮城県気仙沼市の被害をネットで配信したいのですが、私には出来ません 助けが必要です。出来るだけ色んな国へ知らせたいと思います。このメールも電波が入る所まで車でやっときて打ってます。これから生き残った人達が生きるために少しでも援助お願いします

Te-hampiseho ny fahavoazana nahazo ny tanànan'i Kesennuma any anaty aterineto aho saingy tsy afaka manao na inona na inona samirery. Mila fanampiana izahay. Te-handefa ity hafatra ity manerana izao tontolo izao aho, araka izay tratra. Nitondra ny fiara eran'ny tanàna aho mandra-pahitàko marika fa hoe afaka mandefa mailaka. Miangavy fanampiana amin'izay azonareo andraisana anjara, mba hanohanana ny ain'ireo sisam-paty.
Cherie [6] dia manampy teny fohy ery amin'ny faran'ilay teny fampahafantarana:

Tiako ianareo. Miangavy, aza manary toky. mbola hihaona isika. mivavaka ho anareo.