- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny mahery fonay, Wael Ghonim

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Nandritra ny andro maro ny Ejiptiana,  nikaroka teny rehetra teny [1] an'i Wael Ghonim, mpitantana ny Google izay tsy hita nanomboka tamin'ny 27 Janoary. Androany, taorian'ny sahoan-dresaka [2] maro, navotsotra i [3]Ghonim.

Google tenany mihitsy no anisan'ny voalohany nandefa fampandrenesana [4] tao amin'ny Twitter:

Afaka ny mavesatra– nafahana i Wael Ghonim. Ny fitiavanay ho azy sy ny fianakaviany.

Ora vitsy nanaraka ny famotsorana azy, efa nanao valan-dresaka roa sahady i  Ghonim. Ny voalohany, nalefan'i [5]@HabibH [6]tamin'ny tweet [5], etsy ambany, miaraka amina dikanteny avy amin'ny/sy azo tsidihana ao amin'ny Alive in Egypt [7]:

Ny faharoa, ho an'ny DreamTV,  dia nalefa nivantana ary nalefan'ilay mpanao gazety Sultan Al Qassemi [8] tweet mivantana, izay nalaky voadika tamin'ny teny Anglisy. Ireto manaraka ireto dia fanambaràn'i Ghonim nopaingorina avy amin'ny tweets:

Wael @Ghonim: Mila antsipirihany ry zareo, vaovao. ” Vahiny ve ireo olona nanomana azy ity?” Tsy nanao hadisoana izahay, antso ilay izy

Wael @Ghonim: Ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana dia tsy nitatitra ny marina, izany no mahatonga ny olona hanaraka ny fahitalavitra tsy miankina ankehitriny

Namarana ny fandefasany tweets tamin'ity fanambaràna ity [9] i Al Qassemi:

ny tenin'i Wael @Ghonim farany: Te-hiteny amin'ireo fianakaviana namoy zanakalahy aho hoe tsy hadisoantsika izao. Hadisoan'ireo mifikitra amin'ny fahefana.

Azo jerena ao amin'ny YouTube [10] koa (amin'ny teny Arabo) ilay valan-dresaka no sady voadika  ato [11].

Ejiptiana sy hafa maro be tao amin'ny Twitter no voasarika tamin'ny valan-dresaka nataon'i  Ghonim, ka niantsoan'ny maro azy ho mahery fo. @EgyptSecularist manoratra hoe [12]:

Kihon-dàlana iray amin'ny revolisiona iny. Ny fihetseham-pon'i @Ghonim dia hanome hery bebe kokoa ny ao  #tahrir. Ho andro mitalakotrokotroka ny rahampitso.

@SarraMoneir ihany koa dia naneho ny fankasitrahany [13]:

mitomany i Ejipta… safotry ny ranomasoko aho. ANDRIAMANITRA ANIE HITAHY ANAO RY @Ghonim

@CaireneGirl Sherine Elbanhawy koa mankalaza an'i Ghonim [14]:

@Ghonim Mirehareha izahay manana anao. Tsy misy manome tsiny anao. Tena tia tanindrazana marina ianao. Tianay ianao. Atrakao avo ny lohanao. Nanafaka an'i #Egypt ianao #jan25

Ilay mpanao gazety mipetraka any Kairo, Ben Wedeman (@bencnn) dia manaiky [15]:

ny valan-dresak'i wael @ghonim tao amin'ny DreamTV: Horohorontany. #Jan25 #Egypt #tahrir

Ilay Ejiptiana mpanao gazety, @SarahCarr dia manana fomba fijery toy izay ihany koa [16]:

Amin'ny manaraka raha mbola misy misalasala ny amin'ny anton'ny fibodoana ao Tahrir dia asaivo mijery ny valan-dresaka nataon'i @ghonim izy #jan25