08 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 08 Febroary 2011

Libanona: Feo fanohanana ireo Ejiptiana mpanohitra

Nivatravatra mihitsy ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Libane amin'ny fanohanany ny hetsi-panoherana Ejiptiana izay niteraka faty olona 150 hatreto. Tsy nitazam-potsiny tamin'izao ireo Libane mpitoraka bilaogy, nefa ny tontolo Arabo no manatri-maso ny zava-misy izay mety hanova tanteraka ny aty amin'ny faritra. Toy izao no fandraisan-dry zareo azy.

08 Febroary 2011

Ejipta: Ny mahery fonay, Wael Ghonim

Nandritra ny andro maro ny Ejiptiana, nikaroka teny rehetra teny an'i Wael Ghonim, mpitantana ny Google izay tsy hita nanomboka tamin'ny 27 Janoary. Androany, taorian'ny sahoan-dresaka maro, navotsotra i Ghonim.

08 Febroary 2011

Ejipta: Tena azo ekena ho safidy anoloana an'i Mubarak ve i Amr Moussa?

Niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny eritreritr'i Amr Moussa, sekretera jeneralin'ny Ligy Arabo, sady mpanohana tsy misy fepetra an'i Mubarak teo aloha, ho lasa filohan'i Ejipta atsy ho atsy, raha mbola manohy miantsoantso ny fialàn'i Hosni Mubarak ny Ejiptiana efa ho 12 andro misesy izao. Ireto manaraka ireto ny sasany tamin'nyfanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter

08 Febroary 2011

Ejipta: Tafaverina amin'ny aterineto

Vao niverina ny aterineto any Ejipta, dia miverina tsikelikely amin'ny aterineto koa ireo mpiara-miasa, tapaka sy namana Ejiptiana. Fotoan-dehibe izao ary feno fifaliana ny rivotra iainana. Mbola voasakana amin'ny tambajotra sasany na i Facebook na i Twitter. Manaraha tsy tapaka ho an'ny sakana amin'ny media sy vaovaon'olon-tsotra izay hivoaka avy any Ejipta androany - noho ireo mpitoraka blaogy sy mpampiasa aterineto mitatitra amintsika ny tantarany, amin'ny feony manokana.

08 Febroary 2011