- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Nametra-Pialàna Tsy ho Mpitarika ny NDP eo amin'ny fitondràna ve i Mubarak?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011 [1].

Vaovao vao nilatsaka ny hoe nametra-pialàna amin'ny maha filohan'ny antoko NDP mitondra amin'izao fotoana azy ny filoha Ejiptian Hosni Mubarak. Andro faha-12 amin'ny hetsi-bahoaka goavana manerana an'i Ejipta itakiana ny fialàny no nisian'izany.

FANAVAOZAM-BAOVAO:

Sahala amin’ ny misy fifanoherana ihany ireo tatitra amin'izao fotoana mikasika ny hoe nametra-pialàna amin'ny toerany maha filohan'ny NDP azy i Mubarak.

Indreto ireo fanehoan-kevitra farany mikasika ilay vaovao, miaraka amin'ny fanadrohadroana momba ilay toe-draharaha:

@hadeelalsh [2]: Milaza ny TV-mpanjakana fa MIJANONA HO mpitarika ny NDP i Hosni Mubarak #egypt #jan25

@draddee [3]: Hatreto aloha izany toa TSY voamarina ny filazàna fametraham-pialàn'i Mubarak amin'ny maha mpitarika ny NDP azy, na ny maha-mpikambana tsotra azy ao amin'ny NDP. #jan25

@gr33ndata [4] maneso [Ar]:

عاجل: إنضمام حسني مبارك لجماعة الإخوان المحظورة
Vao mafàna: Nirotsaka nanatevin-daharana ny vondrona Firahalahiana Silamo voaozona i Mubarak

@abeerallamFT [5]: Mitovitovy daholo ireo Dinaozaoro mpitondran'ny NDP hatramin'ny nijoroan'ny Fikambanana Sosialistan'ilay filoha teo aloha Nasser tamin'ny 1960. #egypt #jan25

@Elizrael [6]: TPT  RT @3arabawy: 😀 RT: @nmoawad: tpppt RT: @jamalghosn: Hitarika ny antoko mpanohitra ny NDP ve i Mubarak? #jan25

@nmoawad [7]: nametra-pialàna tamin'ny komity i #Mubarak mba hanomana fety tsy ampoizina amin'ny andro nahaterahan'i  Adel Imam. #Jan25

@UnitedArabs [8]: Mbola mihevitra ho afa-manàmbatra ny vaky indray va re i Humpty Hosni Dumpty e? tsara ny mandeha amin'ny fotoana mahamety azy

Indreto ireo fanehoan-kevitra voalohany tao amin'ny  Twitter rehefa navoaka ilay vaovao:

@AJEnglish [9]: Mitatitra ny TV Ejiptiana fa niala tsy ho mpitarika ny NDP antoko eo amin'ny fitondrana i  Hosni #Mubarak. Eto ny tatitra mivantana: http://aje.me/ajelive #Egypt #Jan25

@djevojcica87 [10]: Inona no heverin'i Mubarak fa ataony izao? Mamoaka ireo tetika rehetra notovozina tamim-boky. #Egypt #Mubarak

@sammiqaid [11]: voasambotra i Ezz&Adly, niàla tamin'ny fitantanana ny NDP daholo ry  Mubarak, Gamal, Safwat ElSherif. Ary dia The Beat Goes On [Fanamarihan'ny mpandika: hira malazan'i Sonny sy Cher io]

@JawazSafar [12]: Vaovao tsy mbola voamarina mikasika ny fiomankomanan'ny tobim-pamaharana ara-tafika iray any amina firenena iray mifanila vodirindrina amin'i Ejipta handray an-dry Mubarak & fianakaviany [avy amin'i @Almatrafi nampitain'i @Essamz] #Jan25

Mandefa tweets [13] i @Gr33ndata  (Ar):

حاسس إني قاعد في عرض إستربتيز و الرقاصة عمالة تقلع هدومها حتة ورا حتة
Sahala amin'ny mijery striptease no fieritreritro ahy, ary ilay sipa mpandihy dia manàla ny fitafiany, tsirairay.

@NadiaE [14]: Ankehitriny rehefa tsy mpitarika ny NDP intsony i #Mubarak, mbola mifanaraka amin'ny lalampanorenana ve ny maha-filoha azy? #jan25

@TheSufiWarrior [15]: Miantso ny mba hanagiazana ny fananan'i #Hosni sy #Gamal #Mubarak, an-tapitrisa maro no nangalariny tamin'ny vahoaka. Aza avela handositra izy ireo. #Egypt #Jan25

@MahaRafiAtal [16]: Misy manana ny teny tamin'ny fanambaran'i Mubarak ve? Ireo andinindininy–fametrahana fialàna ‘tsy hitarika ny antoko eo amin'ny fitondrana’ dia toa mifangaro voraka be ihany.

@yshehab [17]: nametra-pialana i #mubarak tsy ho mpitarika ny antoko NDP mitondra #egypt, sahala amin'ny hoe fandàvany tsy ho mpikambana intsony ao amin'ny ‘club’-ny,  izay azy

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011 [1].