06 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 06 Febroary 2011

Fahalalahana miteny eny amin'ny toeram-pianarana ambony: Voakiana ny Politikan'ny Anjerimanontolon'i Massachusetts

GV Mpisolovava  06 Febroary 2011

Zavatra iray saropady ny resaka fahalalaham-pitenenana eny amin'ny toeram-pianarana any Etazonia, ary lahatsoratra iray ao amin'ny Huffington Post no namerina indray mandeha indray ny adihevitra mikasika izany. Tamin'ny 2009, niresaka isika momba ny Anjerimanontolo Butler sy ny fomba nikirakirany ny tsikera avy amina mpianatra iray mpitoraka bilaogy, Jess Zimmerman. Ankehitriny...

Ejipta: Nametra-Pialàna Tsy ho Mpitarika ny NDP eo amin'ny fitondràna ve i Mubarak?

Vaovao vao nilatsaka ny hoe nametra-pialana amin'ny maha filohan'ny antoko NDP mitondra amin'izao fotoana azy ny filoha Ejiptian Hosni Mubarak. Andro faha-12 amin'ny hetsi-bahoaka goavana manerana an'i Ejipta itakiana ny fialàny no nisian'izany. Fanavaozam-baovao: niova ny vaovao ankehitriny: mety tsy niala tamin'ny toerany i Mubarak. Indreto fanehoan-kevitra avy ao amin'ny Twitter mikasika ireo vaovao mifanipaka ireo.