- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta an-tsary: Avy eny an-dalamben'i Cairo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Tahaka ireo Ejiptiana maro mpanohitra, indraindray sisa Ramy Raoof, ilay mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona sady mpiara-miasa [1] amin'ny Global Voices Advocacy, no hita eo anivon'ny aterineto tato anatin'ny andro vitsivitsy.  Rehefa nampàkatra sary nalaina teny an-dàlamben'i Cairo ho ao anaty aterineto i Raoof : sary avy amin'ireo fihetsiketsehana, soratsoratra mameno ny arabe, ary miaramila, mampiseho amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga avy eny an-dalambe.

Androany, nandritra ny fotoana fohy niseranany teto amin'ny aterineto, ni-tweet [2] andian-tsary vaovao izy, miantso ireo mpanjohy azy hizara azy ireny amin'izao tontolo izao:

i uploaded pictures from the demonstration taking place in Downtown Cairo now, view them here http://bit.ly/axeJsg #jan25 #egypt plz spread [3]

Ramy Raoof tweets photos to the world

Ireto manaraka ireto dia sary nalain'i Ramy Raoof tamin'ny 28 sy 29 Janoary ary navoaka tao amin'ny Flickr [4]. Ireo teny fanazavàna dia an'ilay mpaka sary ihany.

[5]

Mialà i Mubarak..Fahalalahana

[6]

Fiaraben'ny tafikasy miaramila tao Tahrir Square, Cairo

[7]

Fihetsiketsehana teny ambonin'ny fiaraben'ny tafika tao Tahrir Square, Cairo

[8]

Fihetsiketsehan'ny 28 Janoary tao Cairo

Ny sary rehetra dia avy amin'i Ramy Raoof [4], navoaka teo ambany fiarovan'ny Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic License [9]