Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

31 Janoary 2011

Tantara tamin'ny 31 Janoary 2011

Ejipta: Ao amin'ny Twitter, ny fikarohana an'i Wael Ghonim

Ao amin'ny Twitter, maneho ny ahiahiny mikasika ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy sady mpitantana ny Google Middle East, Wael Ghonim, izay tsy hitananomboka ny Alakamisy 27 Janoary tao anatin'ny fihetsiketsehana tao Cairo ireo namany .

Maldiva: Ho Firaisankina amin'i Ejipta

Ny hetsi-panoherana mitranga any Ejipta dia toy ny ‘herinaratra’ namely ny mponin'ny aterineto tao Maldiva. Ireny fitroarana ireny dia nanana ny dikany manokana mihitsy satria namelona indray ny fahatsiarovana ny hetsi-panoheran'ireo mpandàla ny demaokrasia vao taona vitsy lasa monja izay mba hamerenana ny demaokrasia ao amin'ity tangoro-nosy mitambatra ho firenena...

Ejipta: Miara-dàlana Amin'ny Vahoaka ve ny Tafika?

Following massive protests across Egypt today, the army was deployed to enforce a night time curfew. On Twitter, the news was received with surprise, with reports that the army was on the people's side. Following is a selection of tweets from across the region.

Ejipta an-tsary: Avy eny an-dalamben'i Cairo

Rehefa tsy eny an-dalamben'i Cairo, dia mampakatra sarin'ireo fihetsiketsehana mba hozaraina amin'izao tontolo izao ilay mafàna fo mpiaro zon'olombelona sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, Ramy Raoof. Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarnay ny sary nalefan'i Raoof avy ao Cairo.