- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Voatafika nandritry ny hetsi-panoherana ilay mpanao gazety Nebrass Hedhili

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Vaovao Mafana

Nanoratra i Nawaat fa niharan'ny herisetra ara-batana ilay mpanao gazety Nebrass Hedhili [1], polisy tsy nanao fanamiana no nahavita izany tao afovoan'i La Chebba(fr). Manavao matetika ny feon-gazety mikasika ny hetsi-panoherana Sidi Bouzid [2](fr) i  Nawaat.