- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Siria: Tal al-Molouhi, vehivavy iray 19 taona, mpitoraka blaogy, no any am-ponja efa ho herintaona maninjihinjy izao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Syria, Hafanàm-po nomerika, GV Mpisolovava

Tal al-Molouhi [1]

Tal al-Molouhi

Tal al-Molouhi,  Siriana iray [2]mpitoraka blaogy [3], dia nosamborin'ny olon'ny Sampan-draharaham-panjakana Siriana miandraikitra ny fandriampahalemana noho izy namoaka tononkalo momba an'i Palestina [4] tao amin'ny blaoginy.

Tal, mpianatra amin'ny ambaratonga ambony, 19 taona, dia nosamborin'ny olon'ny Sampan-draharaham-panjakana Siriana [5] miandraikitra ny fandriampahalemana tamin'ny  27 Desambra 2009,  nogiazan-dry zareo ny solosainy [6]. Hatramin'izao izy dia mbola voatàna tsy misy fitsarana sy tsy misy vesatra iampangana, tsy fantatra koa izay momba azy, ka mahatonga an-dreniny nanao antso [7] ho an'ny filoha Siriana mba hamotsorana azy.

Nisy  video iray nataona mafana fo Siriana mangataka ny fanafahana azy:

Vide iray hafa koa ao amin'ny Youtube [8] mirary Eid Sambatra [9] ho azy na aiza no misy azy na aiza.

Maro ny Ejiptiana mafana fo sady ùmpitoraka blaogy [10] no miombom-peo  hikarakara hetsi-panoherana manoloana ny masoivoho Siriana ao Ejipta. [11]

Ireo mafana fo manerana ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ny teny Arabo dia samy miantso fanohanana ho azy amin'ny alalan'ny fanaovana sonia ity fanangonan-tsonia ity [12], sy fandefasana mailaka ho an'ny Masoivoho Siriana any Washington, Imad Moustapha [13], ary efa amperin'asa ihany koa izao ilay blaogim-panentanana iray mitondra ny anarana hoe Free Tal [14] ao amin'ny Facebook group [15] mba ho fanafahana azy.