- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrain: Nosamborina i Ali Abdulemam, mpitoraka blaogy sady mpanoratra ho an'ny Global Voices

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Hafanàm-po nomerika, Vaovao Mafana, GV Mpisolovava

Ali AbdulEmam

Ali AbdulEmam

Ali Abdulemam, mpitoraka blaogy [1] Barhaini iray  misongadina sady mpanoratra ho an'ny Global Voices Advocacy [2], dia nosamborin'ny manampahefana Barhaini vao maraina tamin'ity androany ity noho ny fiampangana azy ho  nanely [3] “vaovao tsy marina” tao amin'ny vavahadin-tseraseran'ny BahrainOnline.org [4], iray amin'ireo mpanome vaovao isan'ny malaza be sady mpandala ny demokrasia ao Bahrain, nandritra ireo vanim-potoanan'ny jadona ara-poko sy tsy refesi-mandidy an-taona maro nataon'ny governemanta [5]. Ny vavahadin-tseraseran'ny The BahrainOnline dia voasakana izao ao  Bahrain. Vao maraina dia nandefa hafatra mailaka izy nilazany ny naharaisany antso avy amin'ny Sampam-piarovam-pirenena Bahraini, izany dia talohan'ny nisamborana azy mihitsy, avy eo dia nosamborina izy ary notondroina ho nikasa handositra. [6]

Ali [7]

Araka ireo tatitra, ny governemanta  Bahrain [8]i dia efa goaika antitra mitàna ny loha-laharana amin'ny fampiasana herisetra amin'ireo tsy mpankasitraka http://bit.ly/9kZyJQ [9] ary ny Tv an-dry zareo dia nandefa hafatra feno fankahalàna ara-poko mba hanamarinana ny herisetra ataony [10]

Ali dia nosamborina koa tany aloha noho ny votoaty navoakany tao amin'ny vavahadin-tseraserany [11], ary mandray anjara arakarak'izay fahafahany ao amin'ny  Global Voices Advocacy [2] sy ny  Global Voices Arabic Lingua [12].