- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: voatana an-tranomaizina ny solontenan'ny Wikileaks

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Vaovao Mafana, GV Mpisolovava
File:Jacob Appelbaum 4227.jpg [1]

Jacob Appelbaum – Wikipedia

Jacob Appelbaum [2], solontenan'ny Wikileaks [3], dia notanan'ireo manam-pahefana any Etazonia an-tranomaizina nandritra ny ora 3 [4] tany amin'ny sisintany taorian'ny diany tany Holland. Nosavaina ny kitapon'i Appelbaum, nanaovana dikamitovy daholo ny antontan-taratasy tao anatin'ny kitapony, nosavaina ny solosaina findainy. Araka ny tatitra voaray dia tsy nety namaly ny fanontanian'izy ireo i Appelbaum raha tsy eo anoloan'ny mpisolovava, ary tsy navela niantso tamin'ny finday.Araka ny fantatra ihany dia nesorina taminy ny findainy telo ary tsy naverina. Tamin'ny 31 Jolay, niteny izy nandritra ny fivorian'ny DEF CON [5] ary nanamarika fa “nalaina” ny findainy. Taorian'ny nitenenany, nanantona azy ireo mpitandro filaminana FBI roa ary nametra-panontaniana taminy. Vao haingana izay dia namoaka antotan-taratasy [6]miafina a [6]n'ny miaramila any Etazonia  mihoatra ny 90,000 [6] ny Wikileaks, tamin'io fotoana io indrindra no nitenenan'ny tao amin'ny Trano Fotsy fa tsy fandraisana andraikitra [7] sy fanohintohinana ny fandriampahalemana nasionaly [8] izany fihetsika izany. Araka ny tatitra dia mampahafantatra amin'ny antsipiriany ireo zava-miafina mikasika ny ady any Afghanistan [9] ireo antontan-taratasy ireo.