- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Holandy: Vehivavy roa nosamborina tany amin'ny Mondial fa manao dokambarotra labiera tsy ara-dalàna

Sokajy: Eoropa Andrefana, Afrika Atsimo, Holandy, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Vehivavy Holandey roa miasa any amina orinasa mpamokatra labiera Bavaria [1] any Pays-Bas  no nosamborina noho ny fanaovana dokambarotra ho ana labiera izay tsy mpanohana [2] ofisialy ny Fiadiana ny Tompondaka erantany akory nandritra ny lalao nifanandrinan'i Holandy sy i Danemark tany Afrika Atsimo tamin'ny Alatsinainy teo. Anisan'ireo vehivavy bikàna 30 manao akanjo miloko laoranjy izy ireo, izay antsoina hoe “raoby holandey” [3], izay anisan'ny atolotra miaraka amin'ireo fitambarana fanomezana avy amin'ilay mpamokatra labiera holandey (azonao atao ny mijery sary maro momba ny Bavaria ao amin'ny pejy flickr [4]).

Navoaka ny kianja ireo vehivavy rehetra nandritra ny lalao tamin'ny Alatsinainy. Ireo vehivavy holandey roa, izay noraisina ho “mpitarika” ilay dokambarotra kosa nosamborina tamin'ny Alarobia vao mangiran-dratsy ary noampangaina ho nanao varotra tsy ara-dalàna. Navotsotra niaraka tamina sazy 10 000 Rand (1000 Euro eo ho eo) izy ireo tamin'ny Alarobia tolakandro; ary hiakatra fitsaràna amin'ny 22 Jona. Araka ireo tati-baovao maro, mety hahazo sazy enim-bolana an-tranomaizina izy ireo noho ny tsy fanarahan-dalàna tsy nahazo alalana hanao hetsika ara-barotra ao anatiny na manodidina ireo Kianja hanaovana ny Fiadiana Tompon-daka iraisam-pirenena.

Naneho hevitra momba ny zava-nitranga [6] [nl] ny Minisitry ny Raharaham-bahiny holandey, Maxime Verhagen, tao amin'ny Twitter-ny mba hamaliana ny fanontanian'ireo mpampiasa Twitter holandey:

NL ambassade heeft Z-A om opheldering gevraagd, celstraf vanwege het dragen van oranje jurkjes is onzinnig @willemboele [7]

Nangata-panazavàna avy amin'ny SA ny masoivoho holandey, tsy mitombina mihitsy ny sazy fampidirana am-ponja noho ny fanaovana akanjo miloko laoranjy @willemboele [7]

Nandroso hevitra ny hifampitory [8] [nl] amin'ny FIFA any amin'ny fitsaràna koa izy:

Als FIFA een probleem heeft met oranje jurkjes kunnen ze dat juridisch uitvechten met het bedrijf, arrestatie is buiten proportie @edwinv73 [9]

Raha manana olana amin'ny akanjo laoranjy ny FIFA dia afaka mitory ny orinasa any amin'ny fitsaràna, mihoa-pampana kosa ny fisamborana olona @edwinv73 [9]

Namaly [10] [nl] i @edwinv73, mpampiasa Twitter:

@MaximeVerhagen het is wel goed voor de economie. Bavaria gaat wel nu wereld veroveren. Succes met het vrij krijgen

@MaximeVerhagen amin'ny lafiny iray dia tsara ho an'ny toe-karena koa izany. Hahazo laka manerana izao tontolo izao i Bavaria. Mirary soa amin'ny famoahana azy ireo

Naneso [11] [nl] ny tranga iray manontolo ireo mpampiasa Twitter sasany, toa an'i @SportKnowhowXL:

Op verzoek van hoofdsponsor Hyundai heeft de #fifa besloten dat de Japanse ster Keisuke Honda niet meer aan het #wk2010 mag meedoen #bavaria

Noho ny fangatahan'ny mpanohana voalohany, Hyundai, nanapa-kevitra ny #fifa fa tsy ho afaka handray anjara amin'ny #worldcup2010 intsony ilay mpilalao Japoney malaza Keisuke Honda. #bavaria

Nisy kaonty Twitter manokana noforonina mba hanohanana ireo vehivavy ary hamoahana vaovao farany momba azy ireo: @freethebabes [5] [nl].