- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Fanonganam-panjakana misesisesy rehefa mihamanakaiky ny fifampiraharahana

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Madagasikara, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Politika, Vaovao Mafana

Taorian'ny fanesorana tamin'ny toerany ny minisitry ny foloalindahy tamin'ny 7 Avril [1]noho ny fiampangana azy ho nikasa hanongam-panjakana, manontany i  Achille52 hoe inona indray ny dikan'ity filazana ho nisiana fanonganam-panjakana hafa ny andron'ny 18 avrily [2] ity sy ny fisamborana maro nanaraka azy (fr).  Ny mampiahiahy azy indrindra dia ny fotoana fisian'ny fisamborana fa mitranga hatrany izany rehefa mialoha ny fanelanelanana iraisam-pirenena ahitana an-dRajoelina sy ny filoha teo aloha Ravalomanana izay heverina hitohy any Johannesburg.