- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Porto Rico: Vonona ho amin'ilay fitokonana nasionaly

Sokajy: Amerika Latina, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Eo am-piomanana amin'ny fitokonana nasionaly [1] hatao amin'ny Alakamisy 15 Oktobra i Porto Rico. Nanomboka tamin'ny nandroahan'ny governora Luis Fortuño mpiasan'ny governemanta tokony ho 17 000 teo [2] ny herinandro voalohan'ny Oktobra, dia nisy fanentanana goavana avy amin'ireo sehatra samihafa amin'ny fiaraha-monina sivily: mpiasa sy mpikambana amina sendika, vehivavy, mpandàla ny tontolo iainana, mpianatra, ary profesora, sy ny sisa. Nisy fanehoan-kevitra sy hetsika maneho tsy fankatoavan'ny sivily mba hanoherana ireo politika ara-toekarena  nolazain'ny governemanta fa ilaina noho ny krizy ara-bola. Raha atambatra ny amin'ity taona ity, efa nandroaka teo amin'ny mpiasam-panjakana 25 000 teo ilay  governemanta voafidy farany teo io.

Tato anatin'ny volana vitsivitsy izao dia mitombo ny disadisa eo amin'ny governemanta sy ireo vondrom-piaraha-monina sivily samihafa [3]: baiko fandroahana [4] any amin'ireo fiaraha-monina sahirana ara-tsosialy sy toekarena, herisetran'ny manam-pahefana, ary ny fandravana ireo fandraisana andraikitra ara-piaraha-monina tahaka ilay Fideicomiso del Caño Martín Peña. Nanampy trotraka izany koa ny karazana kabary ofisialy nataon'ny governemanta izay voasokajy ho manafintohina sy feno faharatsiam-panahy, toy ilay fiteny mampalahelo malaza amin'izao fotoana izao hoe  “fiainana izany” [5], ary vao haingana, tamin'ny fampitoviana ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny mpampihorohoro [6], nataon'i Marcos Rodríguez Ema, Chief of Staff notendren'ny governora. Izay no fototry ny fitokonana nasionaly amin'ny Alakamisy. Ho valin'izany kabary izany, i Tito Otero dia namoaka horonantsary mampiseho ankizilahy kely mitendry lokanga  manoloana ny Kongresy. Toy izao no rentsika lazain'ilay ankizilahy: “Tsy mpampihorohoro aho. Mino ny fahamarinana ho an'ny fireneko aho.”

Eo am-piomanana amin'ilay fitokonana izay mikendry ny hampikatso ny firenena mandritry ny andro iray ireo mpitoraka blaogy sy mpampiasa twitter. Ao amin'ny Cargas and descargas [7] [ES] Edwin Vázquez dia niantso ireo mpitoraka blaogy sy olon-tsotra mba hampiasa Twitter [8] sy Facebook [9] hampitàna vaovao amin'ny andron'ilay fitokonana. Efa manontany ireo mpamaky azy sahady ny olon'ny @caribnews momba ireo soso-kevitra amin'ny ‘hashtag’, ary efa nanomboka ny resaka tao amin'ny #twittericans.