- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chili: Mpianatra namoaka lahatsary fohy momba ny “fitandrohana”

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanabeazana, Sarimihetsika, Tanora

Namoaka andian-dahatsary fohy [1] ny mpianatra avy amin'ny sekoly Shiliana lahy Las Cumbres; ary tafiditra amin'izany ny resaka fitandrohana (herisetra) sy famonoantenan'ny tanora izay mifarana amin'izao filazana izao:

This is a phenomenon that is taking place in our country and the rest of the world. You can't know what another person is thinking, or how your jokes may affect them. Let's avoid the hindering of future talents due to the immaturity of some.

Toe-javatra mihaohao eto amin'ny firenentsika sy manerantany izy ity. Tsy fantatrao izay eritreretin'ny olona iray, na ny fanafintohinana ao anatiny noho ny kivazivazy ratsinao. Mba ialao re ny hanohintohina ny manantalenta rahampitso noho ny tsy fahamatoran'ny sasany.

Betsaka hetsi-batana sy hetsi-tava ny lahatsary fohy “Bullying”(Mitandroka) [2] ka na dia navoaka tamin'ny teny Esipaniolona izay mety tsy ho fiteninao aza izy io dia tafita tsara ny hafatra: (Ao amin'ny lahatsoratra nadika no misy ny lahatsary koa)