- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifaninanana horonan-tsary ao amin'ny You Tube

Sokajy: Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Namoaka horonan-tsary hampielezana ny fifaninanana amin'ny filazam-baovao avy amin'ny firairay ny sampana Citizen News ao amin'ny You Tube [1]. Horonan-tsary amin'ny teny Anglisy, latsaka ny 3 minitra ny faharetany, ary mikasika olona iray eo amin'ny fiaraha-monina izay heverina fa tokony ho fantatry izao tontolo izao ny momba azy no ho raisin'izy ireo amin'izany. Amin'ny volana Septambra no hanomezana fanazavana fanampiny sy hampahafantarana ny loka ho zaraina amin'ity fifaninanana ity. Io manaraka io ny horonan-tsary hanasana ny olona handray anjara [2].

Raha tsy ny teny Anglisy no teny nahabe ny mpandray anjara, dia mety ho ekena ny hanasiana olona mpitantara na fanazavana an-tsoratra amin'ny teny Anglisy (Mampiasa ny tolotry ny DotSub [3]). Mbola miandry ny fanazavana fanampiny sy ny fepetra tokony arahina amin'izao, na dia efa fantatra tamin'ny hevitra mandeha aza fa ny mpampiasa ny Youtube rehetra mihoatra ny 13 taona dia afaka mandray anjara daholo.