- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cap Vert : Andron'i Afrika

Sokajy: Cap Vert, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Baluka Brazao no manapariaka ao amin'ny Ta sumara Tempo ho fankalazana ny Andron'i Afrika [25 May] ny hosodoko iray nataon'i Robert Colescott ary mitondra ny lohateny hoe : Marching to a Different Drummer [1] [mamindra amin'ny dobok'amponga samihafa] izay raha tazanina avy any Cap Vert :

Colescott apresenta um discurso à volta da percepção branca do preto e a percepção preta do branco e, mostra como o racismo e a inferioridade imposta define a identidade negra.

“Mikasika ny fomba fahitàn'ny fotsy hoditra ireo mainty hoditra sy ny fahitàn'ireo mainty hoditra ireo fotsy hoditra no tian'i Colescott ambara sy ampiharihariana fa ny fanavakavaham-bolokoditra sy ny fanambaniana no ifotoran'ny famaritan'ny mainty hoditra ny maha-izy azy.”