- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika Atsimo : Vonona hiatrika ny 2010 ve i Afrika Atsimo, izay mankahala mpiavy ?

Sokajy: Afrika Atsimo, Zon'olombelona

Vonona hiatrika ny 2010 ve i Afrika Atsimo, izay mankahala mpiavy ? [1]“, hoy i Bomseh, mpitoraka blaogy avy any Kenya – monina ao Afrika Atsimo. “Manaitra ary toa tsy mampino ny mahita ny fivoaran'ny fanafihana ireo vahiny ao Johannesburg sy ny faritra manodidina ao amin'ny faritanin'i Gauteng. Mihanaka tahaka ny doro tanety ny habibiana vokatry ny fankahalana, tahaka ny nitranga tao Kenya tsy ela akory izay ; amin'izao fotoana izao dia mananika ny 100 ireo mpiavy maty noho io korontana io, anjatony hafa no naratra ary maro no nifindra toerana.”