- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Eoropa: OTAN

Sokajy: Angletera, Frantsa, Gresy, Makedonia, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Politika, Zon'olombelona

Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny OTAN i Gresy; 130 monja ny miaramilany any Afghanistana – isa mitovy amin'ny an'i Makedonia, tsy mpikambana sady ampahadimy amin'ny isan'ny mponina any aminy.”