- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ezipta: Antso ho amin'ny fitokonana faobe

Sokajy: Ejipta, Fanoherana, Politika

“Miantso fitokonambe izay hotanterahina ny 6 aprily ho avyizao, izany hoe roa andro mialoha ny fifidianana filakevim-paritra ny vondron'ny mpanohitra any Ezypta ka tafiditra anatin'ireo mpiantso ny antokon'ny mpiasa, ny Kifaya, ny mpirahalahy Miozolmana izay antoko voarara, ny tsy nahazo fahazoan-dalana hijoro antoko Karama (na fahamendrehana amin'ny teny malagasy) , ny antoko afovoany izay mbola tsy nahazo lalana ihany koa, ny mpiasan'i Mahalla, ny sendikan'ny Mpitsara (mitady hitovy amin'ny gasy koa izany), ny hetsiky ny Mpampianatra Oniversity (fa iza ary no maka tahaka e?), ary ny hafa koa,” hoy Elijah Zarwan [1], avy any Ezypta.