- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo iainana : Fomba fanomanana masombolina baomba

Sokajy: Afrika Atsimo, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Tontolo_iainana

Rory no manapariaka ao amin'ny blaogy Carbon Copy, izay hevitra novakiany tamin'ny boky The Guerilla Art Kit [1] nosoratan'i Keri Smith, momba izay fomba fanao hanomanana masombolina baomba [2] izay azo afafy tsara amin'ny : 

…vacant lots, pavement cracks, long-standing rubbish piles, or anywhere that would benefit from a bit of random greenery.

“… trano foana, arabe feno lavadavaka, antontam-pako eny rehetra eny, na izay rehetra mety hahazo tombontsoa avy amin'ny fanirin'ny zava-maitso.”