- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Takiana ny hahaizana teny Japoney raha hitoetra maharitra

Sokajy: Japana, Fifindràmonina, Fiteny

Novelabelarin'i Debito ny fanehoan-kevitra [1] mikasika ny volavolan-dalàna napetraky ny governemanta Japoney mitaky ny fahaizan'ireo vahiny mihevitra ny hipetraka maharitra any Japana ny teny Japoney.  Notsikerain'i [2] Ampotant ny fampitam-baovao nataon'ny BBC mampihevitra ny mpihaino fa tsy tia miresaka sy mitafatafa amin'ny vahiny ny Japoney.