Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

17 Janoary 2008

Tantara tamin'ny 17 Janoary 2008

Japana: Takiana ny hahaizana teny Japoney raha hitoetra maharitra

Novelabelarin'i Debito ny fanehoan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna napetraky ny governemanta Japoney mitaky ny fahaizan'ireo vahiny mihevitra ny hipetraka maharitra any Japana ny teny Japoney.  Notsikerain'i Ampotant ny fampitam-baovao nataon'ny BBC mampihevitra ny mpihaino fa tsy tia miresaka sy mitafatafa amin'ny vahiny ny Japoney.

Kenya : Raho-mainty nahitana hirika fanantenana ihany

I Mental Acrobatics no manoratra mikasika ny antenimieram-pirenena Kenyana faha-10: Tuesday afternoon the dark cloud of an illegitimate presidency in Kenya revealed its silver lining. Democracy hit back hard as Kenya’s 10th parliament convened for the first time. “Ny rahona maintin'ny filoham-pirenena tsy voafidy ara-dalàna dia nahitana hirika fanantenana tamin'ny...

Shina sy Hong Kong: Jet Li sy ny fitiavan-tanindrazana

Diumanpark no namaham-bolongana momba ny resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpilalao sarimihetsika malaza Li Lianjie fantatra amin'ny anarana hoe Jet Li any amin'ny fahitalavitra T.V interview, indrindra ny momba ny fijeriny amin'ny fitiavan-tanindrazana. Ho an'i Jet dia ny fahafaham-pieritreretana na ny fahafahana misaina malalaka no zava-dehibe kokoa (zh).

FreeAccess plus ! web 2.0 : ahafahana miala sivana

Niainga tamin’ny asan’i Hamed Saber momba ny “Access Flickr” fiitaranasan’ny Firefox, nahafahana niala tamin’ny fanatantavanana ampiharina any Iran sy firenena hafa tena vitsy izay manampina ny Flickr, vohikala malaza amin’ny fifampizarana sary, no namoahan’i MohammadR ny “FreeAccess Plus!“, Fiitaranasa (extension) nosainina lalina mamadika ny Firefox ho proxy (solon’adiresy fanangonana fa...

Emirà Arabo mitambatra: Mikatona noho ny fitsidihan'i Bush i Dubai

Seabee avy ao Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, no tezitra amin'ny nanakatonana ny Emirà mandritra ny tontolo andro itsidihan'ny filoha Amerikana George W Bush any. Ny tena nahatezitra azy dia faritry ny tsenambarotra maro (izany hoe mikatona ho azy ny tsena) no tena iharan'ity fanakatonana ity.

Afghanistan: ny tsimok'aretin'i Rambo

Abu Muqawama no nitati-baovao momba ny“the Rambo Syndrom” na ny tsimok'aretin'i Rambô.Nosoratan'ny mpamaham-bolongana ary fa ny gazety New York Times no namoaka lahatsoratra mitanisa ny herisetra maro ataon'ireo menavazan'ny ady tany Iràka sy Afghanistan.

Meksika: hivory ny mpampiasa Twitter

Twittmx [es] no anarana iantsoana ny fivoriana voalohany hotanterahin'ny “Twitteros” na mpampiasa Twitter any Meksika. Ny faniriana moa dia ny hanatanterahana ny fivoriana ho isam-bolana.

Meksika: nakatona ny bar ela niasana indrindra

Nanakatom-baravarana vao tsy ela izay ny trano fisotroana “rano mafana” na zava-pisotro mahamamo ela niainana indrindra eto Meksika ary mety ho manerana an'i Amerika latinina aza hoy Philippe Seaz ao amin'ny Defecito [es] nanoratra

Dôminika : Izay lazaiko atao, fa tsy izay ataoko

Mampahatsiahy antsika i Steve's Dominica As our Government takes a step closer to turning Dominica into an oil refinery for Hugo Chavez, it's worth remembering what they said in 2006 “Ary satria ny governemanta dia mbola namindra indray nanakaiky ny hamadihana ny nosy Dôminika ho orinasa fanasivanana ny solik'i Hugo...

Japàna : Ireo “ampakarina” eran'izao tontolo izao

I Edo no manapariaka ao amin'ny blaogy Pink Tentacle sary vitsy izay mitatitra ny fomba fijerin'ny mpakasary Japoney Kimiko Yoshida manokana ireo “ampankarina” eran'izao tontolo izao. Misy rohy mankany amin'ny vohikalan'i Kimiko Yoshida, mpanakanto “makasaritena”, izay ahitana sary 150 mahery.