- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nizeria : Ny fahazakana ao amin'ny fombam-pivavahana Yoruba

Sokajy: Nizeria, Fivavahana

Dia soratan'i Loomnie ny fivavahana sy ny fahazakana ny fivavahan'ny hafa miorina ao anatin'ny kolontsaina Yoruba [1]:

“Navoitran'ilay namako mazava tsara fa io no tena mampiavaka ny fombam-pivavahana Yoruba. Ao amin'ny fomban-drazana nentim-paharazana Yoruba, na dia ao anatin'ny ankohonana iray aza dia malalaka ny tsirairay amin'ny andriamanitra izay tiany ivavahana, ary tsy manery na mampahory ny hafa hanaraka ny fivavahany. Izany, hoy ilay namako, dia maneho ny halehiben'ny fahazakana ny fivavahan'ny hafa.”

[Ataoko fa tsy lavitra izany isika Malagasy, mpandika teny.]

Ndesanjo Macha [2]