- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila : Mbola nofinofy ny fitovian-jo eo amin'ny vavy sy ny lahy

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Vehivavy sy Miralenta

Ny mpiblaogy Cynthia Semírami dia lasa mizara izay eritreriny manoloana ny fivoahan'ny tatitra farany mikasika ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy [1] izay navoaky ny World Economic Forum [2], izay vokatry ny fandinihana ny toe-draharaha eo anivon'ny firenena miisa 128 (izay sahabo ho 90%-n'ny mponina eran-tany). Marihina fa laharana faha-74 i Brazila :

É interessante observar que as mulheres são força expressiva nos movimentos sociais, mas raramente ascendem aos cargos de liderança, ou entram diretamente para a política. Reverter essa situação é fundamental para a igualdade entre os sexos.

« Mahatsikaiky ny manamarika fa ireo vehivavy no hery mpivoy ireo hetsi-bahoaka hoan'ny fanatsarana ny fiaraha-monina, kanefa dia an-kavitsiana no ahatrarany ny toeram-pitondrana, na idirany avy hatrany amin'ny toerana pôlitika. Tena tsy maintsy misy fanovana mihitsy ny toe-javatra toy izany raha te hihazo ny fitovian-jo eo amin'ny vavy sy ny lahy. »